navigation

Moi, Malgache ! – Malagasy aho ! 31 mars, 2008

Posté par rahelys dans : Développement,Femme,Mada au quotidien,mode de vie,vie quotidienne , 1 commentaire

Je me présente: « Malgache ! »

Vous désirez avoir une idée de mon pays, d’où je viens…

Il y a le meilleur et le pire mais; il y a surtout le meilleur; sinon, pourquoi tout le monde s’y précipite ?

Alors, je vous invite à visionner !

 

***

 

« Malagasy aho » !

Jereo ange ny tany niaviako e !

Ao ny mamy; ao koa ny mangidy fa ny mamy no tena maro ao. Raha tsy izany ary ; nahoana no mihazakazaka makany izao rehetra izao ? an !

 

http://www.dailymotion.com/video/x4tlbf

Mifalia fa Malagasy 30 mars, 2008

Posté par rahelys dans : croyances,Développement,Identité malgache,mode de vie,vie quotidienne , ajouter un commentaire

Aoka isika hifaly fa Malagasy !

Indro eto ambany ny HIRA FANEVAN’i « Malagasy Miara Misikina » sy « HELI’S MADAGASCAR  Fampianarana Anterinety »

Araky ny hiran’i NJAKATIANA

Soyons fiers d’être Malgaches !

Voici ci-dessous l’HYMNE de « Malagasy Miara Misikina » et « HELI’S MADAGASCAR E-Enseignement » - La chanson de Njakatiana

http://www.dailymotion.com/video/x3w5qk

Colonisation – 29 MARS 1947 à Madagascar 29 mars, 2008

Posté par rahelys dans : A lire,A visiter,Histoire - Commémorations,Identité malgache , 4 commentaires

29 MARS 1947 -  29 MARS 2008 

En ce jour mémorial, nous vous offrons des vidéos et un poème (cadeau d’un interanaute).

Bénis soit le souvenir de tous nos morts pour la Liberté !

Ho fahatsiarovana ireo nahafoy ny ainy ho an’ny Tanindrazana mba hiaina malalaka araky ny zo maha-olona ny Malagasy afaka ny mponina rehetra ao dia atolotra anareo:

 - Sary mihetsika:

 

1 - RECONNAISSANCE DES MASSACRES DE 1947

http://www.dailymotion.com/video/xpuao 3 - TONONKALO natolotry ny Namana Rary

Ho tahiana anie ny fahatsiarovana ireo namoy ny ainy niady ho an’i Madagasikara ! 

HYMNE M.D.R.M. « Zanahary o, Tahio »

 

   http://www.dailymotion.com/video/x2bky0

FAHATSIAROVANA

NY FAHA 61* TAONA NY 29 MARS 1947

Raika amby enina* no taona tsaroana

Ho tanisaina eto anoloana

Ka mba diniho ry zareo ny tantara

Nahazo ny mponin’I Madagasikara

 

 

***

 

 Indray taona indray andro izay

Fotoana malaza sy tena mahamay

Nisehoan’ny gasy tia tanindrazana

Mba hitady sy higoka ny fahafahana

 

***

 

Sivy amby roa no andro voalaza

Volana marsa no manan-daza

 Fito amby efatra no tena taona

Hanaovana tolona iray tsy mivaona

 ***

Antoko iray nitambaran’ny maro

Tsy hisy avakavaka fa nifangaro

Na ny tanindrana na ny eto Imerina

Fahaleovan-tena no nirina hiverina

 ***

Ny Panama ary koa ny Jina

Nivelirano sy nanao dina

Hiara mizotra amin’ny MDRM

Hanavotra ny tany sy ny firenena

*** 

Ny tarigetra dia zavatra iray

Dia gasikara tanindrazanay

No hijoroana tsy amin’ahiahy

Ka samy ho vonona sady ho sahy

 ***

Ny atody hono anefa tsy miady amam-bato

Fa ny olom-panjakana dia miasa tsy miato

Hamongotra Gasy atao tifi-borona

Ka henoy kely ity hanaovana ny olona

 ***

Ny tao Ambatondrazaka dia tsy mba nanampo

Fa nahiditra gara ao anaty vago

Natao fatra-tsonjo ho ao Moramanga

Kinanjo fa inona re no nitranga

*** 

Notifirina mantsy ireo tia tanindrazana

Ka maty avokoa tsy nisy niangana

Ny fatiny avy eo natao an-dava-tany

Nazerazera ho ambony sy ambany

*** 

Ny tao antsinanana re ry vahoaka

Nantsoina ny lahy ka tsy afa-nivoaka

Nasaina niady ny tany ho lavaka

Ka teo notifirina natao vary raraka

 ***

Tao Sahasinaka ny fampijaliana

Mampioron-koditra sy mahavariana

Notapahin-tanana, nopotsirina maso

Mandra-pahafaty nanaovana ankaso

*** 

Ny teto Imerina ambarako anao

Fampijaliana tsy mihoatran’izao

Fa kapok’alika sy ny rano maloto

Ary vely kibay sy vely fanoto

 ***

Nahorona indray ho ao Antanimora

Ho faizina mafy fa tena tsy mora

Ambositra, Fandriana sy Fianarantsoa

Ary Sahasinaka sy Ambohimahasoa

*** 

Ireo Vakinankaratra iray manontolo

Dia samy nahondrana tany daholo

Ny ao Antsirabe sy any Betafo

Ary koa Faratsiho dia samy voasafo

 ***

Ny tanindrazana anie lafo vidy

Ka sahy ny nigoka ny tena mangidy

Ny tia firenena tsy miamboho lahy

Ka samy nijoro no sady ho sahy

*** 

Ireo olom-boafidin’I Madagasikara

Raseta Ravoahangy Rabemananjara

Nametra-dàlana ho an’ny firenena

Mba hizaka ny zon’ny fahaleovan-tena

*** 

Kanefa indrisy fa vokatr’izany

Dia fampijaliana tsy roa aman-tany

Fa lazaina ho mpikomy ny olo-mijoro

Ka voaheloka ho faty sy ho torotoro

*** 

Na toy izany aza ny fahoriana

Izahay Malagasy dia samy liana

Hivavaka mafy amin’ny Zanahary

Fa Izy Mpitondra sy tsy mba manary

*** 

Koa tao amin’ny fonja tamin’izay

Dia naira-nivavaka tamin’ny Ray

Nanainga ny fony ny gadra rehetra

Tsy nanavam-pinoana, tsy hisy fetra

***

Tsaroana amin’izany ireto vono-kihafy

Notarian’ny zatovo dia Rakotozafy

Nandray ny baiboly, nanao ny tantara

Ho fampaherezana an’ilay Gasikara

*** 

Indrisy anefa fa nisy ny namana

Voatifitra basy Randriamaromanana

Torak’zany ireo bala nifafy

Nanorotoro an’i Rakotozafy

*** 

Ankehitriny tsaroana ho tafita

Nohon’ny adin’ireo maritiora tsy hita

Ka ny sisa tavela nihezaka hatrany

Hanohy ny adidy ‘zay eto an-tany

*** 

Ka amaranako ity dinidinika

Ry ray aman-dreny sy zaza madinika

Matoa ianao tonga amin’izao

Dia nisy nitolona talohanao

*** 

Koa eto amim-bavaka ny Firenena

Izay tolom-piavotana ho an’ny tena

Mba hananana tanjaka sy fahendrena

Ary mba handresena ny fahalemena.

Nosoratan’It RAJARISON Jean Harson

tamin’ny 04/03/82

Natolotr’i Rary (29/3/2008)

*Ny taona 1982 no nanoratana,

fa novàna 2008, no nahatonga 61 taona

fa tsy 35 nataon’ny mpanoratra.

4 – Ny ankehitriny

Ny tarika Ny Ainga « Veliranon’Iarivo »

 

http://www.dailymotion.com/video/x1anv0

VIH/Sida 28 mars, 2008

Posté par rahelys dans : mode de vie,Santé - Environnement,Santé - Recherches,vie quotidienne , ajouter un commentaire

Momba ny SIDA dia manasa antsika hitsidika ireto rohy manaraka ireto: 

Pour Infos sur le SIDA,  nous vous invitons à visiter: 

VIH/Sida AFRIQUE

http://www.vihinternet.org/afrique/savoir/infogen/infos.htm

SIDANET.ASSO.FR

http://www.sidanet.asso.fr/webapps/komplete/index.php

 SIDA – MADAGASCAR

chez HELI’S KIDS (E-Enseignement enfants et Jeunes)

INFOS SIDA pour JEUNES

http://pageperso.aol.fr/Mahagagamada/sidakids.html

 TOURISME SEXUEL

http://pageperso.aol.fr/mahagagamada/tourisme_sexuel.html

Les lavaka des hautes terres malgaches 27 mars, 2008

Posté par rahelys dans : A lire,A visiter,Développement,Santé - Environnement , ajouter un commentaire

Nous tenons à vous recommander la lecture de cette page

http://pageperso.aol.fr/Mahagagamada/lavaka.html

qui fait partie de notre siteweb HELI’S MADAGASCAR pour l’Enseignement En Ligne « E-enseignement HELI’S MADAGASCAR » 

Il s’agit du résumé de ce qu’il faut savoir sur les LAVAKA: Définiton, processus de formation, répartitions géographiques selon le substrat.

Puisqu’il s’agit des formes d’érosion des sols, nous y parlons aussi des reboisements.

C’est le condensé, en infime partie de notre thèse de doctorat sur les LAVAKA DES HAUTES TERRES MALGACHES.

Bonne lecture !

A toi la gloire ! O ressuscité ! 24 mars, 2008

Posté par rahelys dans : Fêtes,mode de vie,vie quotidienne , ajouter un commentaire

Après les fêtes de Paques, que reste-il ?

Rahelys vous encourage:

Retenons ce couplet de cantique tiré

de l’oeuvre musical de Haendel:

A toi la gloire ! O ressuscité !

A toi la victoire pour l’Eternité !

Craindrai-je encore ?  Il vit à jamais,

Celui que j’adore, le Prince de Paix;

Il est ma victoire, mon puissant soutien,

Ma vie et ma gloire: non,  je ne crains rien.

A toi la gloire ! O ressuscité !

A toi la victoire pour l’Eternité !

***

 

Faharesena ho Ahy Izy ! 

Efa nitsangana tamin’ny maty

naharesy ny fahafatesana mandrakizay

Ilay Tompoko, Mpanjakan’ny Fiadanana.

Izy no mpiandry ahy, matantana ahy Izy

Koa Inona no hatahorako ?

Efa naharesy an’izao tontolo izao sy

ny asany rehetra Izy:

Tompon’ny Aiko, ny amiko rehetra,

Faharesena ho Ahy Izy !

Tsy misy maharombaka ahy

eo am-pelan-tànany.

Ramanatantara, Paris, 24.03.2008

 

Rta: hadikadio ny momba ny LOGO ! 22 mars, 2008

Posté par rahelys dans : croyances,Identité malgache,vie quotidienne , 2 commentaires

Nalefan’ny namana jentilisa

Novakiand-Rahelys ho anao

http://jentilisa.blaogy.com/post/122/4453

Ny hevitr’i Rahelys !

MIAMBENA !

PASKA ankalazana Andriamanitra velona mandrakizay ! 

Ny aty am-pita no tena maro no  »mi-frime » ny Gasy kely « mba tia hatao hoe « INTEGRE »  !

 

ITY « FRIME » ITY RY ZAREO AN : KA MITONDRA ANY AN-KADAVAKA E !

 

Matetika dia tsy sahy miditra an-tsehatra ny « Fiangonana » araky ity voalaza ity !

Satria efa tonga ny fotoana tokony HIAMBINA ISIKA !

Koa ho voasivana eny ihany ny tena izy sy ny mpanaran-drenirano maka tahaka fa tsy tena MINO !

Koa ny « MPINO » no tokony ho lazaina fa tsy ny Fiangonana !

Tsy voatery hanaiky an’ny devoly sy ny asany aho raha toa ka MINO sy MANAIKY AN’I JESOA Kristy Zanak’Andriamanitra veloma ho Tompo sy Mpamonjiko !

Satria Tsy azo hatao mihintsy ny manompo tompo roa !

Tonga amin’y Manompo  VOLA sy ny tompony isika izao ! Izany midika hoe « Tsy tia hahalala aho fa ny ahy VOLA ihany aloha koa raha misy voina dia enga anie ka tsy ho izaho no ho tratra izany fa rahefa voa  miheritreritra ! »Dia voa mafy raha io no hitombonan’ny fiainana satria « TSY KELY LàLANA NY RATSY!  » koa raha tsy manana sy mifikitra amin’Adriamanitra ianao dia VERY mialoha !Izany ange no ankalazantsika ny fetin’ny PASKA e !

Mankalaza an’Andriamanitra VELONA MANDRAKIZAY ! Naharesy ny ratsy, ireo hafetsifetsen’izao tontolo izao sy ny vokany dia ny fahafatesana ka nanome AINA VAOVAO !

PASKA, AINA VAOVAO NOMENA ANTSIKA MPANOTA tamin’ny alàlan’ny ran’i Jeso Krsity Zanak’Andriamanitra, nitsangana tamin’ny maty, velona mandrakizay izy e !

 fa tsy andriamanitra osa, na fetsifetsy, na moana, na marenina fa

Andriamanitra velona, Tompon’ny Aina, Tompon’ny Fahefana rehetra, Tompon’ny Harena rehetra

Io no tompoinay sy ankalazana amin’ny PASKA !

Pâques – Paska 2008 21 mars, 2008

Posté par rahelys dans : Fêtes , 4 commentaires

Voici venir le jour de Pâques !

Tout le monde est en fête surtout les chocolatiers !

Bonjour la crise de foie pour les quantités d’oeufs qu’on s’offre entre familles, parents…!

 Mais pourquoi des oeufs à Pâques ?

 

Oeuf symbole de PAQUES par:

 

- Coquille: Corps du Christ ressucité

- Blanc: l’âme du Christ - Jaune: la Divinité

En général, à Pâques, les Œufs sont peints en rouge car le rouge rappelle le sang du Christ versé pour notre Salut

« Pâques » se situent au  »Printemps »: Une  Nouvelle vie qui commence, celle d’un homme nouveau !

En effet, un oeuf représente une vie nouvelle à venir, un RENOUVEAU !

 

 

PRIERES DE CAREME pour préparer Pâques

http://pageperso.aol.fr/Mahagagamada/prierespaques.html

PAQUES http://pageperso.aol.fr/Mahagagamada/alleluiapaques.html

 

 

Mirary antsika rehetra hanao fety PASKA sambatra sy Masina ! Hebergeur d'images

SOMBINIAINA sy LOVASOA nahavonjy fianakaviana iray

Posté par rahelys dans : Accident,vie quotidienne , 2 commentaires

SOMBINIAINA sy LOVASOA (It. Charles Randriantseheno Sombiniaina sy It. Lovasoa Randrianarison)

Alohan’ny halasanany izy ireo dia nahavonjy fianakaviana iray miisy olona 3 !

Hisaorana anie Andriamanitra Ray Tompon’ny tompo sy Tompon’ny aina ho azy ireo !

Ny alarobia 18 marsa 2008 vao tafita tao amin’ny interinety ny mailaka nalefan’ny mpitandrina FPMA tamin’ny namana iray nampilaza ny nanjo ireto mpivady mpiray tanindrazana.

Ny alin’ny alatsinainy 17 marsa hifoha 18 marsa 2008, teo amin’ny 12 ora sy 15minitra teo ho eo, efa alina matory avokoa ny olona, no nahare kiakiaka marobe tsy nisy toy izany ny mpitandrina mivady, mipetraka ao amin’ny vadim-piangonana ERF etsy am-pitan’ny 5 làlana Roquépine, 75008 Parisy, toerana nisy azy mivady. Ny zanak’izy ireo koa moa taitra fa nisy fofona may be nanempotra azy !

Koa dia tonga ilay zaza nanantona ireo ray aman-dreniny izay variana teo anolohan’ny televizionina.

Nahare ireo feo ihany ry zareo fa noheveriny ho olona mamomamo avy nanao fety, mitabataba toy ny efa mahazatra !

Kinanjo tonga ity zanany dia lasa ry zareo nijery teo am-baravaran-kely.

Hagagana ny azy ireo !

Miredareda mirefodrefotra ny afo avobe eo amin’ny 2 metatra eo !

« Tsy mbola nisy alina namparary saina sy nofo toy iny » hoy ny vadin’ny mpitandrina niresaka tamiko an-taroby, sady nisefosefo nitomany izy !

Kanefa anie, hoy izy, 8 minitra monja dia efa tonga ireo mpamono afo maro fa vetivety dia tafakatra tany ambony any amin’ny riana faha 6 misy an’izy mivady kely ny afo.

Niantsoantso izahay nilaza tamin’ny mpamono afo hoe :  »misy mpivady malagasy mipetraka ao ambony ao ! »
Tafafoha noho ny kiakiaka sy ny afo hono izy mivady ary mbola teo am-baravaran-keliny niresaka nanome hevitra an’ireto mpivady marokanina nifanilam-bodirindrina taminy, hanavotana ny zanak’izy ireo !

Izy mivady irery no tsy afaka nivoaka tamin’ny afo satria nisy randram-by nanakana ny varavaran-kelin’ny tranony !

Ary nony vao nanokatra io varavaran-kely io ry zareo dia nitsofoka toa tadio ny rivotra ka nanampy ny redareda tao amin’ny efitra nisy azy ireo izay avy taty ambany !

Tonga nanaraka ny tohatra izay tokony efa nampanamboarina io loza io !

Dia voatana tao ry zareo !

Hatramin’ny 7 ora maraina dia mbola teo foana ny mpamono afo nanondraka rano ny trano sy ny zavatra rehetra sisa teo satria mbola nanahy ry zareo sao misy otrikafo mety mbola miredareda avy ao !

Mbola manao ny famotopotorana ny momba iny afo nijoalajoala avy tany ambany riana iny ny manam-pahefana amin’izany !

Andriamanitry ny Fiadanana sy ny Fitsanganan’ny maty izay hankalazaina amin’ny Paska izao no hametrahana ny fanahin’It. SOMBINIAINA sy It.LOVASOA !
MANDRIA AM-PIADANANA !

Mitrotro am-bavaka ireo ray aman-dreny sy havany aty an-dafindrano masina sy any an-tanindrazana koa izahay.

Maneho ny fiarahana ory aminareo, tompoko !

Mitrotro am-bavaka koa an’i Madagasikara izay nahafoy ireto zanany ! – Helisoa, 21 marsa 2008

Raki-kira « Gasikara II » TELOFANGADY

Posté par rahelys dans : Art - Zava-Kanto,Identité malgache , 1 commentaire

Vu par Rahelys pour Vous

Ho anareo, hoy  Rahelys !

Tarika mpihira Vako-drazana malaza sy tiako tokoa ny « Telofangady » . Niaraka nihira tamin’i Rakoto Frah izy ireo !

« Ny fitiavana an’i Madagasikara sy ny maha-Malagasy » no foto-kevitra misongadina ao amin’ny sangan’asan’izy ireo !

Ny feo gasigasy, ny feom-baliha, ny fitafy tsotra tena gasy: satroka penjy, malabary… Ireo zavatra tsotra kanefa kanto sy tena malagasy ireo no tsy hafoizako an’ity tarika ity.

Mirary fahombiazana hatrany ho azy isika ary manantena ny hihaino ny raki-kira « Gasikara II » !

 

Zava-kanto TELOFANGADY namoaka RAKI-KIRA
Gasikara II, io no lohatenin’ny raki-kira andiany faharoa navoakan’ny tarika Telofangady. Hira folo no ao anatiny, izay miventy ny fitiavan-tanindrazana sy ny fanandratana ny mahamalagasy. Ao koa ny fandokoana ny manodidina.

Na eo amin’ny fitaovana ampiasaina, toy ny valiha, na eo amin’ ny bàn-kira dia nohazonin’ny tarika hatrany izany. Araka izay nampiavaka sy nanavanana azy. Nefa, na dia izany aza, noho ny endriky ny fivoarana sy ny fanotontoloana dia noezahin’izy ireo ny nampifangaro izany amin’ ny fitaovana misy ankehitriny, mba hahaliana hatrany an’ireo mpankafy.
Tsy eto an-tanindrazana, eto Madagasikara ihany, no fanta-daza ny tarika Telofangady fa hatrany ivelany koa. Efa maro ireo firenena nanaovany fampisehoana tany
ivelany, toy ny tany Frantsa, Alemaina, Korea… – Nirina Rakotoson, Lexpress Mada, 20-03-2008

123