navigation

« Ny olombelona toy ny voatr’ampangoro… 13 mars, 2008

Posté par rahelys dans : ohabolana - proverbe , trackback

« Ny olombelona toy ny voatr’ampangoro, mbetika ambony, mbetika ambany. » Ohabolana

 

Inona no atao hoe : «  Ampangoro » ?

Ampangoro: teny malagasy ilazana ny vary fotsy nomasahana tanaty rano fotsiny tsy misy fangaro. Izay antsointsika ankehitriny hoe « vary maina ».
Ny ampangoro dia fiteny efa fahagola fa ny « vary maina » dia vao taty aoriana hatramin’ny nidiran’ny mpanjanaka !
Kanefa io teny io dia mbola ampiasaina amin’ny faritany malagasy toy any afovoan’ny Madagasikara sy any amin’ny Tanala: mbola misy fianakaviana malagasy maro mampiasa an’io teny io.« Ampangoro » no nihavian’ny  »ampango » sy ny « ranon’ampangoro » na  « ranovola » !
Ampangoro (vary maina) dia hafa fa tsy ranon’ampangoro (rano fisotro) !

Toetry ny vary miketrika, masahana

Ny vary ampangoro dia tsy misaraka amin’ny rano.
Jereo tsara ny vary anaty vilany saba sns… (na casserole koa) ! fa lazaina hoe « miaina ny vary » rahefa miketrika eo am-patana misy afo, izany hoe: rahefa mbola mangatsiaka ny rano dia ao ambany rano izy.
Vao manomboka mafana ny rano ka mangotraka dia misy rivotra mafana mivoaka dia mifandimby eo ny vohitra (hafa amin’ny VOATRA) sy ny lempona ataon’ny vary.

Voatr’ampangoro ?

Misy teny roa ao amin’io « voatra, manamboatra » (vita, efa ) sy «  ampangoro  »

Azo raisina amin’ny hoe : «  toa asa  » na koa hoe : «  Zava-bita »= Vary masahana tamin’ny rano dia nazahoana ampangoro.  Ny fomba nentina ahazoana ampangoro dia fintinina amin’ny « voatr’ampangoro ».
Mba azahoana an’izany dia misy toetra nandalovan’ny vary: atao anaty rano izay lasa mafana, mangotraka ka miakatra dia ritra ka milefitra sady nesorina teo ambony afo !

Toy izany ny toetry ny fo sy ny sain’ny zanak’olombelona: mangotraka, misendoatra kanefa rahefa mangatsiaka ilay nampisavorovoro azy dia mitony ny fo sy ny saina !

 

Dikateny

Voatr’ampangoro dia midika teny frantsay hoe « cuisson du riz« .

« Telle la cuisson du riz, le coeur de l’homme est tantôt bouillonnant, tantôt froid ! »

Reproduction Interdite  Site protégé annexe HELI’S MADAGASCAR par Copyright www.copyrightdepot.com #00040636 

Commentaires»

pas encore de commentaires

Laisser un commentaire

Lanaudière... moutons, caro... |
DAROU L ISLAM |
ENSEMBLE ET DROIT |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Faut-il considérer internet...
| Le blogue a Voliere
| Cévennes : Chantiers 2013