navigation

Rano tsy tetezin-doha 19 mars, 2008

Posté par rahelys dans : ohabolana - proverbe , trackback

« Rano tsy tetezin-doha » Ohabolana fiteny matetika io rahefa tsy fantatra marina ny momba rano mandeha na rano natsakaina ho sotroina, hanaovana sakafo, hampiasaina, sns…

Tsy arahina ara-tsaina ny zavatra nolalovany, na ny zavatra latsaka tao anatin’ilay rano.

Sarotra be no mitety izany !

Azo ekena io fomba io raha tamin’ny taloha mbola tsy maro ny olona mifamoivoy.

Ankehitriny kosa dia maro ny olona koa maro ny mpandoto – mandoto rano !

Ao ny fampianarana ny vahoaka hanaja ny tontolo iainany.

 Ao ny fanaovana andry maso ny toerana amin’ny tanàna be olona.

Tsy afaka ny manasaraka ny tontolo iainany amin’ny olombelona intsony isika raha mitady fivoarana.

Commentaires»

  1. « Ny rano sotroina tsy tetezi-doha ».

    Midika koa izany fa eny amin’ny fiainana eny dia tsy voatery foana hikaroka izay niavian’ny zavatra iray satria mety handiso fanantenana izany.

    Fantatra fa raha hotete-doha ilay rano dia tsy hisotro ilay mpisotro ! tena marina io ! Alaivo an-tsaina anie é!

  2. Misaotra fa tena lalina be tokoa ny fahaizan’ny Ntaolo an !

Laisser un commentaire

Lanaudière... moutons, caro... |
DAROU L ISLAM |
ENSEMBLE ET DROIT |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Faut-il considérer internet...
| Le blogue a Voliere
| Cévennes : Chantiers 2013