navigation

Pâques – Paska 2008 21 mars, 2008

Posté par rahelys dans : Fêtes , 4 commentaires

Voici venir le jour de Pâques !

Tout le monde est en fête surtout les chocolatiers !

Bonjour la crise de foie pour les quantités d’oeufs qu’on s’offre entre familles, parents…!

 Mais pourquoi des oeufs à Pâques ?

 

Oeuf symbole de PAQUES par:

 

- Coquille: Corps du Christ ressucité

- Blanc: l’âme du Christ - Jaune: la Divinité

En général, à Pâques, les Œufs sont peints en rouge car le rouge rappelle le sang du Christ versé pour notre Salut

« Pâques » se situent au  »Printemps »: Une  Nouvelle vie qui commence, celle d’un homme nouveau !

En effet, un oeuf représente une vie nouvelle à venir, un RENOUVEAU !

 

 

PRIERES DE CAREME pour préparer Pâques

http://pageperso.aol.fr/Mahagagamada/prierespaques.html

PAQUES http://pageperso.aol.fr/Mahagagamada/alleluiapaques.html

 

 

Mirary antsika rehetra hanao fety PASKA sambatra sy Masina ! Hebergeur d'images

SOMBINIAINA sy LOVASOA nahavonjy fianakaviana iray

Posté par rahelys dans : Accident,vie quotidienne , 2 commentaires

SOMBINIAINA sy LOVASOA (It. Charles Randriantseheno Sombiniaina sy It. Lovasoa Randrianarison)

Alohan’ny halasanany izy ireo dia nahavonjy fianakaviana iray miisy olona 3 !

Hisaorana anie Andriamanitra Ray Tompon’ny tompo sy Tompon’ny aina ho azy ireo !

Ny alarobia 18 marsa 2008 vao tafita tao amin’ny interinety ny mailaka nalefan’ny mpitandrina FPMA tamin’ny namana iray nampilaza ny nanjo ireto mpivady mpiray tanindrazana.

Ny alin’ny alatsinainy 17 marsa hifoha 18 marsa 2008, teo amin’ny 12 ora sy 15minitra teo ho eo, efa alina matory avokoa ny olona, no nahare kiakiaka marobe tsy nisy toy izany ny mpitandrina mivady, mipetraka ao amin’ny vadim-piangonana ERF etsy am-pitan’ny 5 làlana Roquépine, 75008 Parisy, toerana nisy azy mivady. Ny zanak’izy ireo koa moa taitra fa nisy fofona may be nanempotra azy !

Koa dia tonga ilay zaza nanantona ireo ray aman-dreniny izay variana teo anolohan’ny televizionina.

Nahare ireo feo ihany ry zareo fa noheveriny ho olona mamomamo avy nanao fety, mitabataba toy ny efa mahazatra !

Kinanjo tonga ity zanany dia lasa ry zareo nijery teo am-baravaran-kely.

Hagagana ny azy ireo !

Miredareda mirefodrefotra ny afo avobe eo amin’ny 2 metatra eo !

« Tsy mbola nisy alina namparary saina sy nofo toy iny » hoy ny vadin’ny mpitandrina niresaka tamiko an-taroby, sady nisefosefo nitomany izy !

Kanefa anie, hoy izy, 8 minitra monja dia efa tonga ireo mpamono afo maro fa vetivety dia tafakatra tany ambony any amin’ny riana faha 6 misy an’izy mivady kely ny afo.

Niantsoantso izahay nilaza tamin’ny mpamono afo hoe :  »misy mpivady malagasy mipetraka ao ambony ao ! »
Tafafoha noho ny kiakiaka sy ny afo hono izy mivady ary mbola teo am-baravaran-keliny niresaka nanome hevitra an’ireto mpivady marokanina nifanilam-bodirindrina taminy, hanavotana ny zanak’izy ireo !

Izy mivady irery no tsy afaka nivoaka tamin’ny afo satria nisy randram-by nanakana ny varavaran-kelin’ny tranony !

Ary nony vao nanokatra io varavaran-kely io ry zareo dia nitsofoka toa tadio ny rivotra ka nanampy ny redareda tao amin’ny efitra nisy azy ireo izay avy taty ambany !

Tonga nanaraka ny tohatra izay tokony efa nampanamboarina io loza io !

Dia voatana tao ry zareo !

Hatramin’ny 7 ora maraina dia mbola teo foana ny mpamono afo nanondraka rano ny trano sy ny zavatra rehetra sisa teo satria mbola nanahy ry zareo sao misy otrikafo mety mbola miredareda avy ao !

Mbola manao ny famotopotorana ny momba iny afo nijoalajoala avy tany ambany riana iny ny manam-pahefana amin’izany !

Andriamanitry ny Fiadanana sy ny Fitsanganan’ny maty izay hankalazaina amin’ny Paska izao no hametrahana ny fanahin’It. SOMBINIAINA sy It.LOVASOA !
MANDRIA AM-PIADANANA !

Mitrotro am-bavaka ireo ray aman-dreny sy havany aty an-dafindrano masina sy any an-tanindrazana koa izahay.

Maneho ny fiarahana ory aminareo, tompoko !

Mitrotro am-bavaka koa an’i Madagasikara izay nahafoy ireto zanany ! – Helisoa, 21 marsa 2008

Raki-kira « Gasikara II » TELOFANGADY

Posté par rahelys dans : Art - Zava-Kanto,Identité malgache , 1 commentaire

Vu par Rahelys pour Vous

Ho anareo, hoy  Rahelys !

Tarika mpihira Vako-drazana malaza sy tiako tokoa ny « Telofangady » . Niaraka nihira tamin’i Rakoto Frah izy ireo !

« Ny fitiavana an’i Madagasikara sy ny maha-Malagasy » no foto-kevitra misongadina ao amin’ny sangan’asan’izy ireo !

Ny feo gasigasy, ny feom-baliha, ny fitafy tsotra tena gasy: satroka penjy, malabary… Ireo zavatra tsotra kanefa kanto sy tena malagasy ireo no tsy hafoizako an’ity tarika ity.

Mirary fahombiazana hatrany ho azy isika ary manantena ny hihaino ny raki-kira « Gasikara II » !

 

Zava-kanto TELOFANGADY namoaka RAKI-KIRA
Gasikara II, io no lohatenin’ny raki-kira andiany faharoa navoakan’ny tarika Telofangady. Hira folo no ao anatiny, izay miventy ny fitiavan-tanindrazana sy ny fanandratana ny mahamalagasy. Ao koa ny fandokoana ny manodidina.

Na eo amin’ny fitaovana ampiasaina, toy ny valiha, na eo amin’ ny bàn-kira dia nohazonin’ny tarika hatrany izany. Araka izay nampiavaka sy nanavanana azy. Nefa, na dia izany aza, noho ny endriky ny fivoarana sy ny fanotontoloana dia noezahin’izy ireo ny nampifangaro izany amin’ ny fitaovana misy ankehitriny, mba hahaliana hatrany an’ireo mpankafy.
Tsy eto an-tanindrazana, eto Madagasikara ihany, no fanta-daza ny tarika Telofangady fa hatrany ivelany koa. Efa maro ireo firenena nanaovany fampisehoana tany
ivelany, toy ny tany Frantsa, Alemaina, Korea… – Nirina Rakotoson, Lexpress Mada, 20-03-2008

Lanaudière... moutons, caro... |
DAROU L ISLAM |
ENSEMBLE ET DROIT |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Faut-il considérer internet...
| Le blogue a Voliere
| Cévennes : Chantiers 2013