navigation

Raki-kira « Gasikara II » TELOFANGADY 21 mars, 2008

Posté par rahelys dans : Art - Zava-Kanto,Identité malgache , trackback

Vu par Rahelys pour Vous

Ho anareo, hoy  Rahelys !

Tarika mpihira Vako-drazana malaza sy tiako tokoa ny « Telofangady » . Niaraka nihira tamin’i Rakoto Frah izy ireo !

« Ny fitiavana an’i Madagasikara sy ny maha-Malagasy » no foto-kevitra misongadina ao amin’ny sangan’asan’izy ireo !

Ny feo gasigasy, ny feom-baliha, ny fitafy tsotra tena gasy: satroka penjy, malabary… Ireo zavatra tsotra kanefa kanto sy tena malagasy ireo no tsy hafoizako an’ity tarika ity.

Mirary fahombiazana hatrany ho azy isika ary manantena ny hihaino ny raki-kira « Gasikara II » !

 

Zava-kanto TELOFANGADY namoaka RAKI-KIRA
Gasikara II, io no lohatenin’ny raki-kira andiany faharoa navoakan’ny tarika Telofangady. Hira folo no ao anatiny, izay miventy ny fitiavan-tanindrazana sy ny fanandratana ny mahamalagasy. Ao koa ny fandokoana ny manodidina.

Na eo amin’ny fitaovana ampiasaina, toy ny valiha, na eo amin’ ny bàn-kira dia nohazonin’ny tarika hatrany izany. Araka izay nampiavaka sy nanavanana azy. Nefa, na dia izany aza, noho ny endriky ny fivoarana sy ny fanotontoloana dia noezahin’izy ireo ny nampifangaro izany amin’ ny fitaovana misy ankehitriny, mba hahaliana hatrany an’ireo mpankafy.
Tsy eto an-tanindrazana, eto Madagasikara ihany, no fanta-daza ny tarika Telofangady fa hatrany ivelany koa. Efa maro ireo firenena nanaovany fampisehoana tany
ivelany, toy ny tany Frantsa, Alemaina, Korea… – Nirina Rakotoson, Lexpress Mada, 20-03-2008

Commentaires»

  1. Izaho koa tia Telofangady !

Laisser un commentaire

Lanaudière... moutons, caro... |
DAROU L ISLAM |
ENSEMBLE ET DROIT |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Faut-il considérer internet...
| Le blogue a Voliere
| Cévennes : Chantiers 2013