navigation

Mazava ny voasoratra ! 6 septembre, 2008

Posté par rahelys dans : Développement,Environnement,mode de vie,Santé - Environnement,vie quotidienne , trackback

Hebergeur d'images

Isika sy ny loto ataontsika

Ho an’ny rehetra no nanaovana io soratra io !
Ao ny ankizy, ny zatovo, sns… Samy mandalo eo avokoa koa tsy azo atao hoe «ry zaroa, na ry zareo no tena mpandato tanàna». Zavatra vaovao lasa raiki-tapisaka ato amintsika ity «manao maloto etsy sy eroa» ity ! 

Tsy misy toerana fady na olom-pady intsony. Na eny amoron-drano… na eny ambony fasana aza misy mivalan-drano !

Mba misy mpamafa ihany anie, kanefa dia …vao lasa ny mpanadio dia tonga ny mpandoto tontolo iainana. Ny marina dia tsy manaja tena sy ny manodidina intsony isika . Ary ny vola ihany no hatahorantsika : «tsy manao maloto fa sao mandoha sazy na dina !» Eto dia misy fanampiny «daroka sy violon 2 andro» ! Fa raha tsy misy an’io fampitahorana io izany dia ho asa fotsiny an !

Ny ankizy amin’izany dia manaraka ny oha-piainana hitany isan’andro etsy sy eroa ! Koa aza gaga ary raha toa ka mitohy ny halotoana sy ny haditrana manaraka izany.
Satria ny maloto mitarika maloto …

Commentaires»

pas encore de commentaires

Laisser un commentaire

Lanaudière... moutons, caro... |
DAROU L ISLAM |
ENSEMBLE ET DROIT |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Faut-il considérer internet...
| Le blogue a Voliere
| Cévennes : Chantiers 2013