RADO - HOMMAGES 21 septembre, 2008
Posté par rahelys dans : poèmes, A lire, Culture, Solidarité, Hommages, A visiter, Identité malgache , trackbackFANKASITRAHANA
AVY AMIN’NY FIANAKAVIAN’
ANDRIAMANANTENA GEORGES
RADO
Maneho fisaorana sy fankasitrahana mitafotafo amin’ireo rehetra nahatsiaro, niombom-po sy alahelo tamin’ny fianakavian-dRado eto izahay.
Fa na lasana aza Rado ka mbola eo ireo rehetra miantsa, manandratra, mikalo ny tsangan’asany dia mbola isan’ny velona izy.
Mankatelina indrindra tompoko.
Fanja ANDRIAMANANTENA
Miarahaba e !
Nodimandry i RADO. Malahelo isika rehetra. Tsy hay ny hangina. Indro misy tononkalo atolotro ho mariky ny fiombonam-po amam-panahy manoloana izao fandaozany antsika izao.
Mirary faherezana sy fiononana feno ho an'ny Fianakaviana manontolo aho sady mitondra amim-bavaka.
Ramatoa RAHARIJAONA Marie-Angèle
LASA
Georges ANDRIAMANANTENA
(1 oktobra 1923 – 15 septambra 2008)
Lasa ianao ka nandao ity tany fivahiniana
Lasa ianao ka nandao. Tsy hoe fanahy iniana
Fa tonga ny fotoana dia tsy maintsy mandeha
Na dia tsy foin’ny rehetra, Tabiha sy Rehareha.
Lasa ianao ka nandao ry Andrarezim-pirenena,
Voarabe endriky ny saha, ka tsy hainay fefena
Tsy hirotsaka ny ranomaso. Mivoaly mainty koa
Indrisy ny lanitry ny literatiora, banga anao !…
Lasa ianao ka nandao. Ny asa soratrao mitoetra.
Tsy ho lovin’ny fotoana, mampitraka raha joretra.
Ny mamy navelanao hotohofin’ny taranaka,
Azo anovozana hery raha sendra valaka sy lanaka.
Lasa ianao ka nandao ny fiainana eto an-tany,
Vata-mangatsiaka sisa. Ny Firenena injao tomany.
Kintan-Telonohorefy, dify teo Ilay Olomanga,
Lasa tsy hifody intsony. Ny toeranao dia banga.
*****
Tononkalo narindrako ho fahatsiarovana ny Fankalazana ny faha-80 Taonan'i RADO tao Ankorondrano tamin'ny 01 oktobra 2003
Ramatoa RAHARIJAONA Marie-Angèle
FANANDRAMAN-TSIRA NIAVAKA
(01 oktobra 2003, Ankorondrano, Antananarivo)
Taom-bolofotsy hafa kely, fanandraman-tsira niavaka
No notronin'ny rehetra, niantomboka tamin'ny vavaka.
Olo-manan-kaja maro no indreo tonga mirodorodo
Hanandran-tsira amin'izato fahavalopolo taonan'i Rado.
Fanompoam-pivavahana no nanombohana ny fotoana,
Fisaorana an'Andriamanitra, ny fahasoavany tsy foana.
Ny valopolo taona lasa namela dindo hatrany hatrany :
Tao ny mamy, ny mangidy, fomban-tany ihany izany.
Dia natao ny andran-tsira, antsan-tononkalo notsongaina,
Ny maso finaritra mitazana, indray mientana ny fo sy saina.
Fanandraman-tsira sarobidy ka satry hitohy fa tsy hitsahatra
Saingy ny fotoana moa voafetra ka tsy ahazoana mamahatra
Dia notsofiny ny labozia, niredona hira ireo taranany.
Nirefodrefotra ny tehaka, nitohy toa tsy hisy farany.
Dia nisaotra koa i Rado satria ny famoaham-boky
No tomombana dia tao ireo sady kiady koa no toky.
Dia nasaina ny rehetra hihinana ny mofomamy sady hijery
Ihany koa ny peta-drindrina sy sary rehefa avy nanovo hery
Tamin'ito takarivam-panandraman-tsira niavaka
Ka Ilay Voninkazo adaladala dia sady rado koa no ravaka.
Antsiva
Antananarivo 01 oktobra 2003








Commentaires»
Bonjour,
Je tiens à présenter mes sincères condoléances à la famille de feu Rado/ Monsieur Andriamanantena Georges.
Mes compatriotes avec qui je serai au Festival International d’art et de poesie sous le thème de “Hommage à Madagascar” le 27 et 28 sept.à Molsheim en Alsace,sous le haut patronage de SE Irène Rabenoro ( ambassadrice de Madagascar auprès de l’UNESCO) de Madagascar en France,SE Rajaonarivony Narisoa (ambassadeur de Madagascar en France),Mme Michèle Rakotoson (écrivain),Mrs F-X Mahah (poète),Jean Ravelona (peintre) et moi même Dave Rabaraona Andriamamonjy (chanteur/Les Surfs),uniront nos coeurs pour lui rendre hommage.
Sincères amitiés.
Dave