navigation

GRG – Georgette Ranivoarivelo Gabrielle (1932-2008) Madagascar: SES DEBUTS 22 septembre, 2008

Posté par rahelys dans : A lire,Culture,Enfance - Jeunesse,Femme,Hommages,Identité malgache,Malagasy: Teny , trackback

Hebergeur d'images

Georgette Ranivoarivelo Gabrielle – GRG (1932-2008)
Une grande dame de la littérature malgache

RACONTE

Comment elle a débuté dans la conception et l’écriture de nouvelles

*****
Nanomboka namorona sy nanoratra tantara fohy

i GRG
Georgette RANIVOARIVELO Gabrielle
Poety, mpanoratra, mpikabary, mpitoriteny, manandratra ny teny malagasy

HOY IZY
: « Fony aho vao fito taona monja dia nividianan’i Dada saribakoly miteny. Haiko tsara ny mamahana azy ka sady mamindra izy no miteny hoe : papa – maman – bebe. Nahita hevitra aho ka nantsoiko ny namako, ary nanao tantara aho. Indray andro tsy fantatro akory fa hay ny Raiko mihaino ahy koa fa tsy hitako.

Tapitra ny tantara dia nofahanako ilay saribakoly sady navelako nandeha sy niteny teo anoloanay.
Nitehaka mafy i Dada sady nanoroka ahy, ny namako koa nitehaka sady nihorakoraka.
Iza hoy i Dada no namorona izany tantara izany ?
Izaho hoy aho, fa teto ihany aho no namorona azy ; saingy tsy tadidiko izay notantaraiko fa ny faramparany ihany no tsaroako.

Hay, rehefa vita ny fianarana enti-mody, dia mamorona hafa indray ary soraty avy hatrany. Iny ny vola dia mividiana cahier. Nitehaka indray ny namako.Dia hoy aho hoe : »aza misy milazalaza amin’ny namana hafa fa aleo isika ihany no hahalala izany.

Tandremo hoy i Dada fa ny fianarana aloha vao ny harentsaina.
Mianara tsara sombiniaiko an ! Raha mahay tsara ny zanako dia avelako mamorona tantara sy tononkalo hatrany o ! »
In FISAINANA, Teny mialoha, p3, imprimerie 2000, juin 2008

Commentaires»

pas encore de commentaires

Laisser un commentaire

Lanaudière... moutons, caro... |
DAROU L ISLAM |
ENSEMBLE ET DROIT |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Faut-il considérer internet...
| Le blogue a Voliere
| Cévennes : Chantiers 2013