navigation

GRG – Georgette RANIVOARIVELO Gabrielle : 1932-2008 Madagascar – HOMMAGES (Suite 2) 28 septembre, 2008

Posté par rahelys dans : A lire,Culture,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Femme,Hommages,Identité malgache,Malagasy: Teny,poèmes , trackback

Hebergeur d'images

Miarahaba,

Miara-miondrika amin’ny Fianakavian’i GRG sy fianakaviamben’ny Haisoratra malagasy amin’izao vanin-taona mafy tsy maintsy diavintsika ety ambany masoandro izao…

Nandao antsika saingy namela ny sahan’ny literatiora malagasy feno hanitra tsy resy resen’ny fahafatesana.

 

Mihelina ihany Ra-olombelona
Mifandimbidimby sy aelin’ny rivotra
Fa ny asa navelany ho antsain-ko velona
Ny soa hitsingerina, ny ratsy ho ringitra

Ny soa tavela sy ny firoborobony
Tsy hitsahatra hatreo ny fisandratany avo
Toa tononkalo amin’ny firedoredony
Tsy mety maty sy tsy mety lavo

Ny mamela mamy, maty miadana
E ! Ny andro rehetra dia fandalovana
Fa tsy ho lefy hanitra ilay fisiana
Ho velona an-koatra, sy ho tsara levenana.

Ny Kanto.

FABIEN GASTON RAZAKANDRAINIBE, 27.09.2008

Locations of visitors to this page

Commentaires»

  1. Atolotro ho an’i GRG,

    LAY VETSO MANGIANA TANATY NY FOKO

    Lay vetso mangiana tanaty ny foko
    Lay hira milanto nokalokaloiko
    Ny ahitako ilay olon’ iray zay tsy foiko
    Tao anaty’ ny indray mipi-maso monja
    Indrisy nafoiko!

    Ty ‘zaho manirery sy toa manjokaiky
    Mamisavisa foana tsy mety manaiky
    F’ izao no lazaina f’anjara eto antany…
    Kapoaka mangidy ho gohako ihany.

    Indrisy ry Neny malala tsy foiko
    Ilay hany tokana tsy mety hosoloiko
    Ilay tiako sy mamiko indrindra teto antany
    Nefa indrisy nandao ahy ihany

    Indrisy ry lahatra feno hasomparana
    Izato enao toa manao fihangarana
    Ny tiako sy mamiko indrindra teto an- tany
    No nongotanao ka dia tera-tomany

    Lanto RABEMIADANA

Laisser un commentaire

Lanaudière... moutons, caro... |
DAROU L ISLAM |
ENSEMBLE ET DROIT |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Faut-il considérer internet...
| Le blogue a Voliere
| Cévennes : Chantiers 2013