navigation

RADO – Zoma 3 Oktobra 2008 @ 8 ora alina FPMA 16 rue Chauchat 75009 – Paris FANOMPOAM-PIVAVAHANA IRAISAM-PINOANA 1 octobre, 2008

Posté par rahelys dans : Anniversaire,Culture,Hommages,Identité malgache,poèmes,Prieres,Solidarité , ajouter un commentaire

01.10.2008  -  01.10.1923   85 taona nahaterahan’i

RADO – ANDRIAMANANTENA Georges

Hebergeur d'images

Manasa antsika rehetra hanatrika ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana hofanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho fampaherezana ny fianakaviana
sady ho fahatsiarovana ny faha-85 taona nahaterahany.

ny Zoma 03 Oktobra 2008 amin’ny 8 ora alina

ao amin’ny FPMA Paris, 16 rue Chauchat 75009 – Paris

 

*****

VONINKAZO ADALADALA (FAHA-80 TAONAN’I RADO)

 

VONINKAZO ADALADALA 

Voninkazo adaladala ! Voninkazo tsy misaina
Fa mamony samirery eo an-tany karankaina
Ny manodidina rehetra efa ringitra avokoa
Efa tapitra matory… ! Izy irery no mifoha.

Misy koa ny fo adala ka tsy mety manadino
Ny rehetra raha mangina, izy kosa mbola mino
Mbola tena mahatsiaro ilay Fitiavana ninoany
Mbola velona ao am-pony, tsy mitsahatra mamony

RADO 11 janoary 2002, Midi-Madagasikara, 2,10,03

*****

80 TAONA anio i RADO (Georges Andriamanantena)
1 oktobra 1923 – 1 oktobra 2003

Anio no mitsingerina ny faha 80 taona nahaterahan’i Georges Andriamanantena, diso fantatra loatra amin’ny anarana hoe RADO. Isan’ireo olona ambara ho andrarezin’ny fanandratana ny teny Malagasy sy fikajiana ny soa toavina izay mampiavaka an’i Madagasikara eo anatrehan’izao tontolo izao ny tenany.

Tononkalo sy asa-soratra maro no fantatra fa nosoratan’i Rado eo amin’izay fanandratana ny teny sy ny maha Malagasy azy izay. Amin’izao tsingerin-taona faha 80 n’i Rado izao dia manolotra firariantsoa sy fiarahaba ho azy manokana izahay eto amin’ny  » Gazetiko « …- Gazetiko du 01-10-03

Lanaudière... moutons, caro... |
DAROU L ISLAM |
ENSEMBLE ET DROIT |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Faut-il considérer internet...
| Le blogue a Voliere
| Cévennes : Chantiers 2013