navigation

FAHATSIAROVANA IREO HAVANA LASANA sy FANGATAHAM-PITAHIANA HO AN’I GASIKARA 31 octobre, 2008

Posté par rahelys dans : Evénements HELI'S MADAGASCAR,Fêtes,Hommages,musique,Père Céleste,Prieres,Protection de Madagascar,Protection famille , trackback

http://www.dailymotion.com/video/k1VcAxoEdGBIOVAqJN
Hindramintsika ny feomanga sy ny vavaka nataon’i ADELINE, poeta sy mpihira, izay efa nandao antsika koa teo amin’ny fahatanorany.

Hoy i Adeline:

« Ny tena faniriako sy ivavahako ho anao                                                          Mba hikajianay hatrany ireo fanananao

Tsy hisy sahy hanimba na hanao kitoatoa

Fa samy ho vonona ny hanasoa anao tokoa

Mbola hetahetako tsy maty ato anaty

Ny hahasambatra anao hatrizao ka mandramaty

I Madagasikara anie ho an’i Kristy

Ary i Kristy anie ho anao tanindrazako.

Ho anao ry nosy mamiko

Tononiko izao fitahiana izao

« Ho ambinina anie ianao Gasikarako

tsy ho diso fahasoavana ianao

ho tahiana anie ireo mpitondra anao

ho tahiana anie ireo vahoaka anao

ho tahiana koa ireo harenanao

ho tahiana indrindra ny fanahinao« .

Nahoana hoy ianareo no hangatam-pitahiana
ho an’ny Tanindrazana koa ?
- Satria ny Tanindrazana no mitrotro ny taolam-balon’izy ireo
- Satria ny Tanindrazana no ANDRAIKITRA NAPETRAK’IZY IREO
AMINTSIKA.

VINAKITSIKA ny hafatry ny maty eo ambony ireo e !

Tsidio ADELINE

A la mémoire de nos défunts et pour la bénédiction de Madagascar, tournons-nous vers CELUI QUI EST LA SOURCE DE TOUTE CREATURE!

Nous empruntons la prière et la voix de ADELINE, cette artiste malgache qui nous a quittés en pleine jeunesse. Visitez ADELINE  - Olga HELISOA

Commentaires»

  1. Ramatoa HELISOA Olga,

    Miarahaba sy mirary soa ho anao.
    Nahaliana ahy tokoa ny nijery ny Vohikala rehetra karakarainao.
    Misaotra ramatoa.
    Mendri-piderana tokoa ny ezaka ataonao ho fampahafantarana ny mpanoratra sy ny kolontsaina malagasy ary izay rehetra mety ho maha-izy antsika Malagasy. Fa ny anisan’ny singaniko manokana dia ny anjara toerana omenao ny Ankizy.
    Mankasitraka e !
    Mirary faherezana hatrany ho anao aho.

Laisser un commentaire

Lanaudière... moutons, caro... |
DAROU L ISLAM |
ENSEMBLE ET DROIT |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Faut-il considérer internet...
| Le blogue a Voliere
| Cévennes : Chantiers 2013