navigation

HAFATRA HO AN’I 2009 ! MESSAGE POUR 2009 ! NOUVELLE ANNE ! NOUVELLES RESOLUTIONS ! 4 janvier, 2009

Posté par rahelys dans : A méditer,Culture,Environnement,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Fêtes,Identité malgache,poèmes,Solidarité,Souveraineté nationale malgache,vie quotidienne , ajouter un commentaire

Beautés de la musique et des costumes traditionnelles du Sud malgache
Qui crie ses peines : « Mijale ty taniko, Madagasikara »

VŒUX DE BONHEUR POUR 2009 !
http://www.dailymotion.com/video/k16Jz1WfdJcc9elsIj

A TOUS, UN SOUHAIT

Coeur d’Amour, d’Efforts,
Faire fructifier chaque matin,
Ne gaspiller ni minutes,
Ni jours aux disputes…

A tous, un Espoir :
S’ouvrir vers son prochain,
Vaillance vers un avenir meilleur.

Olga HELISOA, 02/01/2009

 

Locations of visitors to this page

 


HAFATRA HO AN’NY TAONA 2009  

Tonga ity ny taona vaovao
Avalony ny lonilony teo aloha.
Fihavanana no handrandrao,
Fitiavana no hanjaka ao am-po.

Fa isika izay tsy tonga lafatra
Mbola nahazo tombon’andro.
Aleo ny ezaka no atao fatratra
Satria ny Tompo no mitandro.

Ny andro mihiratra maraina
Dia tena fanomezan-tsoa
Lehibe tsy tambo isaina
Sady tsy manam-paharoa.

Koa aleo ry mpiara-belona,
Tsy handanilany ny fotoana
amin’ny ady sy ny trerona
Satria izany dia zava-poana;

Ambarao, lazao raha efa nisy
Olombelona tsy mba diso
Fa vao hary saina indrisy
D’efa nanomboka ny kizo.

Tsy hay fafàna ny efa vita
Saingy azo hatao tokoa
Ny miezaka tsy hivika
Ny làlana mitondra soa.

Dia hotobaka hasambarana
Ny sivy sy roa arivo taona vao.
Ny tsirairay irina mba hanana
Fandavan-tena tsy mety lao.

Ninita RANDRIANANJA

1er janvier 2009

Lanaudière... moutons, caro... |
DAROU L ISLAM |
ENSEMBLE ET DROIT |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Faut-il considérer internet...
| Le blogue a Voliere
| Cévennes : Chantiers 2013