navigation

RY MALAGASY O MITOMANIA ! 10 février, 2009

Posté par rahelys dans : A lire,A méditer,Développement,Droits civiques,Droits homme,Hommages,poèmes,Solidarité,Souveraineté nationale malgache , trackback

Fahatsiarovana ireo latsaka tany Antaninarenina
ny sabotsy 07.02.09, Antananarivo

Ry Malagasy o, mitomania,
Ambakaina lava izao,
Atao fitaovana hiakarana,
Hamenoana paosy, hangalarana.

Nalaina ny taninao, alaina ny ainao
Miheritrereta, mailo ianao !
Ianao no antoka koa mitandrema !
Lafo vidy ny ainao sy ny taninao !

Kibo noana tsy mba vatsy
Dia nirenireny nakatsy nakaroa,
Fahafatesana no niandry anao:
Nisaritaka tanaty tosika sy afo.

Voafandrika tanaty vahoaka,
Voaosy, torotoro tsy nahetsika,
Nianjera voatifitry ny basy,
Ra nandriaka feno ny tany.

Nanaraka ireo liam-baovao ianao ,
Nanaraka nanantena fiovam-piainana,
Feno fanantenana sy nofim-baovao,
Ny hoavy mibaliaka an’ny taranaka.

Kanjo fahafatesana, kiaka,
No niandry anao tao,
Kibo noana tsy mba vatsy
Tsy nisaina ho ratsy ;
Nanantena fotsiny ianao !

RAMANATANTARA, 09.02.09

Commentaires»

pas encore de commentaires

Laisser un commentaire

Lanaudière... moutons, caro... |
DAROU L ISLAM |
ENSEMBLE ET DROIT |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Faut-il considérer internet...
| Le blogue a Voliere
| Cévennes : Chantiers 2013