navigation

SOLON’ANARANA – PSEUDO(NYME) 31 mars, 2010

Posté par rahelys dans : A lire,A méditer,Coup de coeur,Culture,Développement,Droits homme,handicap,Identité malgache,mode de vie,Mondialisation,Net et dangers,Protection de Madagascar,Santé publique,Solidarité,Souveraineté nationale malgache,vie quotidienne , ajouter un commentaire

Mitondra solon’anarana :
Vao sahy mampita teny,
Teny ratsy mibahana,
Teny ratsy manjaka.
Teny ratsy tompoina.

Teny feno ompa,
Teny tsy manaja,
Sahy miantsa ady,
Mitaona amin’ny ratsy.

Mitondra solon’anarana  :
Tsy misy lehibe,
Tsy misy kely,
Tsy misy Hasina,
Tsy misy Haja,
Tsy misy Fefy !

Mitondra solon’anarana :
Kabosy nahazo toky,
Kabosy toa mahery fo,
Kabosy toa misaina,
Kabosy toa mamiratra,
Kabosy toa filamatra,
Kabosy toa zavatra,
Kabosy toa hanitra,
Kabosy toa fanilo,
Kabosy toa hiasa…

O ry Malagasy,
Aiza ny hajanao ?
Aiza ny hasina
Maha-olona anao ?
Solon’anarana ve ?
Dia sahy sehatra ianao ?
Solon’anarana ve ?
Dia sahy mihoa-pefy ?
Solon’anarana ve ?
Dia mba « olona » ?

Miheritrereta !
Ny olona : «manaja,
Mitady ny soa,
Miala amin’ny ady,
Mandositra ny ratsy,
Mitady fitiavana,
Mitady mitia namana.»

Ampy ny haratsiana
Hilomanosantsika,
Tadiavo ny teny mamy,
Tsy mihatsara ivelantsihy.

Tadiavo ny teny madio
Vokatry ny fo madio,
Vokatry ny saina madio,
Tsy misy raorao,
Alaviro ny tabataba,
Alaviro ny fo ratsy.

Fanariam-pako ve ny fonao ?
Fanariam-pako ve ny sainao ?
Fanariam-pako ve ny vavanao ?
Fanariam-pako ve ny taninao ?
Fanariam-pako ve ny aminao rehetra ?
Aza manao kabosy misalobon-tsolon’anarana.

Olga HELISOA, RAMANATANTARA, Parisy, 30, 03,2010

Image de prévisualisation YouTube

Fahatsiarovana ireo zanak’i Madagasikara namohy aina 1947 29 mars, 2010

Posté par rahelys dans : Anniversaire,Colonisation,Développement,Droits civiques,Droits homme,Environnement,Histoire - Commémorations,Hommages,Identité malgache,Mondialisation,Patrimoine de Madagascar,poèmes,Solidarité,Souveraineté nationale malgache , ajouter un commentaire

TSINGERINTAONA HO FAHATSIAROVANA
IREO ZANAK’I MADAGASIKARA
NAMOHY AINA TAMIN’NY TAONA 1947

MADAGASIKARA 29 MARSA 1947 – 2010

 

MBA HIJORONAO OLOMBELONA
 

Aondreho ny loha, fo sy fanahy
Fantaro ary tsarovy fa maro
Namohy aina, havana, harena,
Noho ny fijorony Malagasy
Olon’afaka mpizaka tena.

Aondreho ny loha, fo sy fanahy
Tsarovy, ianaro ny mahery fo
Aza adino fa olon’afaka
Aza adino, maka andraikitra
Aza adino fa olombelona ianao.

Aza adino ireo namohy aina
Mba hijoronao olombelona
Fa tsy mpanambaka manao
Amboa dia misary zanakondry
Handrapaka mpiray rà aminao !

Aza adino ireo namohy aina
Mba hijoronao olombelona
Olombelona fa tsy saripotaka,
Mpanambaka, mangalatra,
Mivarotra ny tanindrazana !

Aza adino ireo namohy aina
Mba hijoronao olombelona
Mpiaro kely, mitsinjo mahantra,
Mpiaro ny Malagasy rehetra,
Mpiaro tanin’i Madagasikara !

RAMANATANTARA, Parisy, 29,03,2010
Image de prévisualisation YouTube

MADAGASCAR 29 mars 1947 – 2010 Le passé nous rattrape toujours 25 mars, 2010

Posté par rahelys dans : A méditer,Anniversaire,Colonisation,Coup de coeur,Développement,Droits civiques,Droits homme,Histoire - Commémorations,Identité malgache,Mondialisation,Patrimoine de Madagascar,Solidarité,Souveraineté nationale malgache , ajouter un commentaire

HO TSAROVAN’IREO FARA AMAN-DIMBY !

IN MEMORIAM !
« POUR QUE L’ON SE SOUVIENNE »

Au sein de notre monde globalisé actuel, l’anniversaire de MARS 1947 est plus que jamais
d’actualité car « A FORCE D’ENTERRER LE PASSE, C’EST LE PASSE QUI NOUS RATTRAPE »

SUITE

Image de prévisualisation YouTube

Locations of visitors to this page

 

EZAKA AMAM-PANANTENANA – MESSAGE D’ESPOIR 22 mars, 2010

Posté par rahelys dans : A méditer,Coup de coeur,Culture,Identité malgache,mode de vie,Mondialisation,Solidarité,vie quotidienne , ajouter un commentaire

AINA, FANANTENANA, FIVOARANA
Heritreritra kely lasana ho antsika misedra ny fahasahiranana isan-karazany,
Heritreritra kely lasana koa ho an’ireo izay manam-bitana koa mihatrika fanadinana hiakarana dingana ambony eo amin’ny fianarana na asa,
Tsarovy fa io masoandro io no mitsidika dia misy aina, fanantenana, fivoarana
amintsika sy manodidina antsika.

Mirary antsika rehetra fivoarana mizotra amin’ny fifanajana, ny fahazotoana mitana ny marina, ny rariny sy hitsiny, tsy mba manao tsindry hazo lena ny kely fa manaja ny Hasina amin’ny Hary rehetra .

Dia mba ho fivoarana tokoa anie no ho volavolaintsika sy hizorantsika, indrindra ho an’i Madagasikara sy ny Malagasy rehetra eran-tany.Olga HELISOA, 22,03,2010

Image de prévisualisation YouTube
LE PRINTEMPS, L’ESPOIR
LE PRINTEMPS EST BIEN LA
La clarté, la chaleur du soleil nous rappellent que nous sommes en possession
de la plus grande richesse qui soit au monde : « la vie » ! Et comme l’on dit « tant qu’il y a la vie, il y a de l’Espoir ».

Nos pensées vont vers ceux qui luttent pour la survie face aux manifestations de l’adversité : pauvreté, guerres, maladies, solitude.Ce petit message d’espoir leur est dédié !

Une petite pensée aussi vers tous ceux et celles qui ont la chance de préparer ou de passer un examen. 

A tous, nous disons « Courage ! »Olga HELISOA, 22,03,201

+ de 100 000 Visiteurs ! Merci – Misaotra nitsidika ! Mbola mitohy … 13 mars, 2010

Posté par rahelys dans : Anniversaire,Coup de coeur,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Hommages,Mondialisation,Solidarité , ajouter un commentaire

Hebergement d'images
En date d’aujourd’hui, nous avons+ de 100 000 Visiteurs depuis le mois de mars 2008, date de mise en ligne de ce petit blog en dépannage dans l’attente de http://helismadagascar.blogspot.com

qui lui aussi est maintenant bien parti !
Nous tenons à remercier tous les visiteurs qui nous ont témoigné de leur soutien, encouragement et sympathie. 

Ce blog étant connu de tous. Il reste en activité mais le grand blog nommé ci-dessus recèle l’essentiel des activités de E-Enseignement HELI’S MADAGASCAR.

ça continue ! … Merci à tous – Olga HELISOA, Paris, 13,03,2010

http://www.dailymotion.com/video/xqs2l
FISAORANA NO ATOLOTRA ANAREO REHETRA NITSIDIKA

Feno mihoatra ny 100 000 androany ny isanareo mpitsidika ity vohikala kely ity hatramin’ny marsa 2008 natao hiandrasana ny nahavitan’i  http://helismadagascar.blogspot.com

Efa maro mpahafantatra izy ity koa dia mitohy kanefa ny Hetsika rehetra momba an’i E-Enseignement HELI’S MADAGASCAR dia raketina ao anaty io vohikala lehibe etsy abony io.

Misaotra indrindra amin’ny fankaherezana izay natolotrareo tamin’ny fomba maro.

MBOLA MITOHY E ! …. -  Olga HELISOA, Paris, 13,03,2010

http://www.dailymotion.com/video/x25f6n

JOBILY 25 TAONA – JUBILE 25 ANS FJKM MONTROUGE – FRANCE 10 mars, 2010

Posté par rahelys dans : Anniversaire,Culture,Fêtes,Histoire - Commémorations,Hommages,Identité malgache,Mondialisation,Patrimoine de Madagascar,Prieres,Solidarité , ajouter un commentaire

Renseignements
00685116296
www.fjkm-montrouge.fr

Hebergement d'images
Hebergement d'images

« NY ZAVA MISY » – « LES REALITES »

Posté par rahelys dans : A méditer,Coup de coeur,Développement,Droits civiques,Droits homme,Mada au quotidien,Mondialisation,musique,Protection de Madagascar,Souveraineté nationale malgache,vie quotidienne , ajouter un commentaire

Momba ny fiainam-pirenena malagasy, indrindra fa amin’ny lafin’ny fiarovana ny olona sy ny tontolo iainany dia ny maha-tompontany nianatra momba izany (géographe) no andraisanay andraikitra ka manambara ireo hevitray.

Adidy amin’ny maha-Malagasy io, adidy masina navelan’ireo Razantsika koa tanterahana am-pitiavana; fitadiavana ny mahasoa ny fiainan’ny Malagasy, ny fiarovana ny tontolo iainany. Soa ho an’i Madagasikara izany ary soa ho an’ny firenena eran-tany koa !

Mampihatra ny « zo fahafahana miteny ny hevitra » koa izahay amin’izany . Ary nataonay sy mbola hataonay hatrany am-panajana sy miankina amin’ny zava-hita misy eran-tany izany .Olga HELISOA, Paris, 10/03/2010

http://www.dailymotion.com/video/x132xp

Nous prenons le droit légitime de faire des remarques en matière de protection des hommes et des milieux naturels à Madagascar. Nous estimons qu’en tant que géographe natif du pays, c’est notre devoir de le faire.

Il y va de la survie harmonieuse des habitants de notre planète.

En outre, nous exerçons là un droit fondamental qui est le « droit d’expression ». Nous l’exerçons et l’avons toujours exercé en toute courtoisie et sur la base d’exemples, de réalités observées dans le monde.  – Olga HELISOA, Paris, 10/03/2010

http://www.dailymotion.com/video/x2yfdf

Journée internationale de la femme 2010 8 mars, 2010

Posté par rahelys dans : A méditer,Anniversaire,Coup de coeur,Culture,dailymotion vidéo,Femme,Hommages,Identité malgache,Journée Internationale,Mondialisation,musique,Patrimoine de Madagascar,Solidarité,Souveraineté nationale malgache,vie quotidienne , ajouter un commentaire

Pour marquer cette journée, j’offre aux femmes des chansons et quelques lignes en cadeau pour méditation.
BAKOBAKO ROA
http://www.dailymotion.com/video/k21BvmpHkIAWuXUpH1
Jereo kely, jereo ange ireto voromailala
D’ireo modely izay tokony ho tahafin’ny mana-malala
Ny azy ireny dia hajainy tokoa ny fitia
Azo toky, fady izay mba hania

Fa mandra-maty tsy mety lefy ilay fitia mitafotafo
Ka isan’andro indreo miainan-drotsirotsy sy safosafo
Tsy omby in-jato isan’ora ny feony no re
Re tsy miato mamerimberina hoe :

Bakobako roa, ry tiako tokoa

Ry mamiko indrindra

tsy hay ovana na hafindra

Anao rahavako itony fitiavako
Ny fo sy saiko, ny tenako anao ka hanjakao

Bakobako rrroa… ry tokan’ny fo
Ny hiova fitia amintsika dia atao sanatria
Raha mbola mitempo ny fo
Na inona loza hanjo
Ry tiana tsy roa
Bakobako roa

Andrianary RATIANARIVO

 

PRENDS LE TEMPS

Prends le temps de penser,
c’est la source du pouvoir!

Prends le temps de te distraire,
c’est le secret d’une perpétuelle jeunesse.

Prends le temps de lire,
c’est la fontaine de la sagesse.

Prends le temps d’aimer et d’être aimé,
c’est le privilège divin.

Prends le temps d’être aimable,
c’est le chemin du bonheur.

Prends le temps de rire,
c’est la musique de l’âme.

Prends le temps de te reposer,
sans quoi tu ne pourras jouir
d’aucun autre privilège.

Ce texte a été écrit par Jean Rajotte en mai 1990
Prière partagée par Elie Bahri de Beyrouth (Liban)

 

Visiter aussi la page suivante 

http://helismadagascar.blogspot.com/2010/03/andronny-vehivavy-2010-journee.html
 

NOMS DE FEMMES MALGACHES EN CHANSON

VOAHANGY (Perle, orange)
http://www.dailymotion.com/video/k5l3NNmcRgSTJngngT

FANJA (Jeune pousse) 

http://www.dailymotion.com/video/kZBMnjtp1wcwXsgneA
VOAHIRANA (Fleur de nénuphar)
http://www.dailymotion.com/video/k4lk9MOHIWc7MblD3z

Lanaudière... moutons, caro... |
DAROU L ISLAM |
ENSEMBLE ET DROIT |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Faut-il considérer internet...
| Le blogue a Voliere
| Cévennes : Chantiers 2013