Aoka isika MALAGASY hifampitsimbina ka ho « Ny rariny ihany no rariny ! » 21 mai, 2010
Posté par rahelys dans : A méditer,Colonisation,dailymotion vidéo,Développement,Droits civiques,Droits homme,Mada au quotidien,Protection de Madagascar,Protection famille,Solidarité,Souveraineté nationale malgache,vie quotidienne , trackbackLes militaires ont besoin de vivre comme tout le monde !
Point de « mutinerie » à Madagascar ! SUITE
MAHANTRA, HAMPIJALIANA NY MALAGASY
HATR’IZAY KA HATR’IZAO !
Koa mba iza ihany no hitsinjo sy hiaro ny zon’ny Malagasy rehetra ?
Aoka tsy hafangaro amin’ny zavatra hafa ny fitakiana karama tsy azo mandritry ny volana maro
Aoka tsy hanaiky na hanao toy ireo manararao-paty vonona sy mampiasa basy sy tafondro raha vao mihetsika mitaky ny zony ny Malagasy …
FANGAHA RAHA…
Fangaha, raha …
Mitaky ny valin-kasasarany
Dia hatao hoe «Mpikomy » !
Mpanefa baiko isan-karazany
Na mety io, na mamo-doza
Dia hatao hoe «Mpikomy » !
Miandry vola hiainana
Hisakafon’ny ao an-trano
Hiakanjon’ireo zaza sy vady
Hianaran’Ikoto sy Ikala
Dia hatao hoe « Mpikomy » !
Fangaha, raha …
Miaramila, mpikaramam-pajakana
Dia tsy miaina, tsy mila vola,
Dia hatao hoe « Mpikomy » !
Miaramila, mpikaramam-panjakana
Dia zaza dondrona, tsy misy hasina
Tsy omena ny karamany…
Dia hatao hoe « mpikomy » !
Miaramila, mpikaramam-panjakana
Dia tsy olona fa fitaovana toy milina,
Tsy nofo tsy ra, tsy vady, tsy zanaka,
Dia hatao hoe « mpikomy »… !
Andohalika
ny ranom-bary…
Ela nieretana
Ela niforetana
Ela nanjakana
Tsia, tsy mikomy:
Mitaky ny zony !
Aza omena tsiny.
RAMANATANTARA, 21,05,2010
ANY HO ANY de Naly RAKOTOFIRINGA
http://www.dailymotion.com/video/x7c32w
Laisser un commentaire
Vous devez être connecté pour rédiger un commentaire.
Commentaires»
pas encore de commentaires