navigation

MITOERA ETO ANILAKO ! STAND BY ME ! VAVAKA ANKATOKY NY 26 JIONA 2009 22 juin, 2009

Posté par rahelys dans : A méditer,Anniversaire,Culture,dailymotion vidéo,Decouverte,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Histoire - Commémorations,Mondialisation,musique,Prieres,Protection de Madagascar,Protection famille,Solidarité,Souveraineté nationale malgache,vie quotidienne , ajouter un commentaire


N »aiza n’aiza misy anao, n’inoninona mahazo anao sy ataonao dia mila namana foana ianao !

Marina izany amin’ny lafiny maha-olombelona nofo sy ra anao ary marina koa izany amin’ny lafiny maha-voahary anao koa mila ny Mpahary anao mitahy anao lalandava !

Amin’izao ankatoky ny 26 jiona 2009 izao dia manasa antsika hanandratra ny feo gara ka hiaraka amin’ireto mpanan-talenta ireto hitalao amin’Ilay Zanahary hoe :

« AZA MIALA AMINAY MALAGASY ANDRIANANAHARY O !

FA MILA ANAO MANDRAKARIVA IZAHAY !

Tsy amelako ianao Andriamanitra o,

Aza adino ny feon’ny fitarainako,

Ny fitaraina’ireo Malagasy mpiray rà amiko,

Aza adino Madagasikara, Tanindrazako;

Aza avela manjaka ao ny ratsy sy ny mpanao ratsy.

Ovay ny fo vato ho fo nofo ka 
Hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny

Dia hiadana amin’ny taniny ny Malagasy

AMENA » - Olga HELISOA, 23 juin 2009

 

http://www.dailymotion.com/video/x89y76


MAGIQUE !

Le premier album enregistré Live dans la rue, selon le principe de la vidéo conférence.
Ces artistes ont enregistré un disque sans jamais se voir. Les casques servent à entendre les autres.
De vrais artistes.


Hello,
Thanks a lot for the nice song. I love a message in the world peace.


Bonjour, un grand merci pour ce magnifique montage vidéo. J’aime ce message d’union pour la paix dans le monde.


Ola,

Gracias para este agradable momento. Me gusta mucho el mensage de paz en nuestro mundo. – Olga HELISOA, 23 juin 2009

ARAHABA TRATRY NY FETIN’NY RENY – BONNE FETE DES MERES ! 5 juin, 2009

Posté par rahelys dans : Anniversaire,Enfance - Jeunesse,Femme,Fêtes,Hommages,Maman,mode de vie,Prieres,Protection famille , ajouter un commentaire

Hebergeur d'images

« FAHATSIAROVANA AN’I MAMA »  tononkalo atolotroho an’ireo reny rehetra.

Alefa aloha ny fiarahabana satria misimisy ireo hetsika sy adidy miandry ireo reny mandritra iny faran’ny herin’andro iny.

Mirary taona maro hankalazana ny « fetin’ny reny » an’ireo reny rehetra e !
 

NOUS SURMONTERONS … LES ADVERSITES ! WE SHALL OVERCOME 19 janvier, 2009

Posté par rahelys dans : A méditer,Anniversaire,Droits civiques,Droits homme,Fêtes,Solidarité , ajouter un commentaire

GOOD LUCK MISTER PRESIDENT !

 En souvenir de ceux qui sont tombés sous les atrocités de la haine ! …Et surtout, pour un monde meilleur !
SUITE  Voir  http://helismadagascar.blogspot.com

1 .We shall overcome (X 3)
some day
 

CHORUS

Oh, deep in my heart I do believe
We shall overcome some day

2.We’ll walk hand in hand (X3)
some day
(CHORUS)

3.We shall all be free (X3)
some day
(CHORUS)

4.We are not afraid (X3)
some day
(CHORUS)

5.We are not alone (X3)
some day
(CHORUS)

6.
The whole wide world around (X3)
some day
(CHORUS)

7.We shall overcome
some day
(CHORUS)…

60 ANS DECLARATION UNIVERSELLE DROITS DE L’HOMME – « Qu’avons-nous fait de nos frères ? » 7 décembre, 2008

Posté par rahelys dans : A méditer,A visiter,Anniversaire,Droits homme,Environnement,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Mondialisation,Solidarité,Souveraineté nationale malgache , ajouter un commentaire

Nous réclamons  » de L’HUMANITE  à cette mondialisation bulldozer qui foule aux pieds l’Homme et son Environnement -  LE DROIT A LA VIE, LA DIGNITE, A UN MINIMUM DE CONFORT, AUX TRANSPORTS, AUX SANITAIRES, AUX SOINS… »  » TU ES RESPONSABLE DE TON FRERE= TON PROCHAIN » – Ainsi, avis aux dirigeants: VOUS ETES DES SERVITEURS et NON DES ROIS » – Olga HELISOA

A Paris, le 06/12/2008, à  l’occasion de l’anniversaire « chrétien » de la Déclaration Universelle des Droits de l’Homme, treize (13) ONG et Mouvements Chrétiens sont réunis : Comité intermouvements auprès des évacués (CIMADE) – CCFD – Jeunesse Ouvrière chrétienne (JOC) – Fondation Protestante de France (FPF) – Justice et Paix – Secours Catholique/Caritas – Pax Christi – Mouvement des Focolari – Société des Amis Quakers – ACAT – ACCES – FEP (Fédération d’Entraide Protestante) – ….autour de : P.Valladier, K.Rousselet, J-L.Schlegel, F.A.Richard, M.Zarrouati…Tous et toutes ensemble discutent et réfléchissent sur ce thème « DES DROITS DE L’HOMME »…

Que de questions qui nous viennent à l’esprit et nous montent aux lèvres !… Mon voisin, ma voisine, assis à côté de moi, est-il aussi un « étranger » ? Suis-je un étranger pour mon voisin ? etc…

Et à chaque pays a son ou, plutôt ses problèmes !

Qui peuvent nous inciter à nous tourner les uns vers les autres, même dans notre propre demeure !…

« Qu’avons-nous fait de nos frères ? »

Il y a ceux qui usent de « diplomatie » (magouilles) pour faire prospérer son pays, son continent et favorisent « les échanges » (arnaques) à tout prix…Malheur à ceux qui tombent dans leur « bonne entente » ! – Olga HELISOA

http://www.dailymotion.com/video/kmejCPxBq68q3ERFrl

Le rédacteur français de la Déclaration de 1948 incarne le combat pour « protéger tout l’Homme et protéger les droits de tous les hommes ». Combattant de la paix après avoir été gravement blessé pendant la Première guerre mondiale, représentant français à la Société des Nations durant l’entre-deux-guerres, il compte parmi les premiers civils à rejoindre de Gaulle à Londres en 1940.

Juriste de renom, il siège à la Commission des droits de l’Homme de l’ONU durant l’élaboration du texte. Il est président de la cour européenne des droits de l’homme de 1965 à 1968, date à laquelle il reçoit le prix Nobel de la paix.

A cette occasion René Cassin revient lors d’une conférence de presse sur l’idéal toujours à parfaire des droits de l’Homme. – Archives privées de Marc Agi, biographe de René Cassin

http://www.dailymotion.com/video/k2uGxqaW4bzIRKRuDkLe 1er décembre 2008, Stéphane Hessel, co-rédacteur de la déclaration universelle des droits de l’homme de 1948, était l’invité des Amis de l’Humanité et des Amis de l’hebdomadaire La Vie. Au cours de la première partie, il nous parle de l’adoption des Droits de l’Homme, puis dans la seconde partie, il aborde les sujets actuels de l’immigration, de Chefs d’Etat tel que N. Sarkozy, G. Bush, et enfin, bien sûr, d’Israël et de la Palestine…
Une rencontre historique.

C’est au Palais de Chaillot, à Paris, le 10 décembre 1948, que cinquante-quatre Etats ont adopté la déclaration universelle des droits de l’homme.

Pour accéder au texte intégral de la Déclaration Universelle des Droits de l’Homme adopté le 10 décembre 1948 :

http://www.un.org/french/aboutun/dudh.htm#pre

FAHATSIAROVANA FAHA-40 TAONA NIASA tao amin’ny FPMA (ANDRIAMAMPIANINA Désiré mivady) 26 octobre, 2008

Posté par rahelys dans : A lire,Anniversaire,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Fêtes,poèmes , ajouter un commentaire

HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA

Tononkalo ho fahatsiarovana ny faha-40 taona

niasan’andriamatoa ANDRIAMAMPIANINA Désiré mivady

tao amin’ny  FPMA

Faritany Atsimo Andrefana misy azy

Manao ny  Jôbiliny ny alahady 26 oktobra 2008

 

 

Endrey ny fahasoavana iantsoan’ny Ray antsika
Hiara-mivavaka eto amin’ity andro manan-daza !
Fotoana iray tena miavaka toy ny kinta-manjopiaka
Tena androm-pitahiana ho an’ny lehibe sy ny zaza.

Fotoana natokantsika hisaorana an’Andriamanitra,
Fototr’aina, Foto-tsoa, Ilay Izy hatramin’ny Taloha,
Antom-pahavelomantsika, Raintsika any an-danitra,
Tsy mahafoy ny asan’ny tànany, be fitiavana tokoa.

Matoa isika tonga eto,  tsy noho ny herin-tenantsika
Fa noho ny famindrampony ary koa ny fahasoavany.
Ampahereziny hatrany isika raha mila hangatsiaka.
Eny, tsy takatry ny saina raha ny haben’ny fitiavany.

Porofo maneho izany izao Jôbily masina eto izao
Izay anasana ny rehetra hiombom-po amam-panahy.
Ho voninahitry ny Anarany ny asa rehetra izay atao
Tanimboalobony isika ary Izy kosa no Ray Mpiahy.

Akory ny haben’ny haravoana tratr’ity andro Jôbily !
Jôbilin’i pasitera ANDRIAMAMPIANINA Désiré
Mivady.  Mirodorodo ny rehetra ary tsy nivilivily
Nisy ny  nandeha fiara, tao  koa ny nandray TGV.

Ny Tompo Andriananahary no  niantso sy nifidy
Sy  nanokana azy ireo ho fiasana am-pelatanana
Mpanompo vonona tokoa ka tsy niamboho adidy.
Tsy manavakavaka izy sady mandala fihavanana.

Ny raibeny dia mpitandrina. Asa misy fihafiana.
Ny ray sy reniny mpampianatra. Raha vao valo
Taona monja izy dia tratry ny fahakambotiana
Maty rainy ka nafoy. Ny fiainana mampimalo.

Rehefa nandeha tany amin’ny toby Farihimena
Izy dia nandre antso. Tsy tafandrimandry intsony
Ary tsy niandriandry fa dia niroso ho katekomena
Dia noraisina ho Mpandray ka ravoravo ery ny fony !

Rehefa tonga izany antso dia mandoro ny ao anaty
Naniry ny ho mpitandrina izy, tena faniriana lalina…
Faniriana nitombo vahana, nitrebona tsy mety maty
Ka nohatoniny ny reniny satria tiany hampahafantarina.

Raha ny asan’ny mpitandrina dia tena misy fihafiana,
Fanta-dreniny tsara izany hany ka tsy tena narisika
Izy.  Tsy foiny hijaly ny solofony na ho be fanahiana
Nefa notsofiny rano ihany rehefa hitany nisisika.

Mbola niofana aloha satria manko ny asa fanompoana
Tena ilana fiofanana. Afa-panadinana idirana ho kolejy
Tao Ambohipotsy no nianarany. Tao aminy ny fahazotoana
Ka nifotorany tokoa izany. Nianatra fa tsy variana nikarenjy.

Dia natokana ho Mpitandrina taona vitsy taty aoriana
Vonona hitondra zioga na ho voky na ho noana
Ary tsy mba misy reharehany afa-tsy ny hazo fijaliana
Ka ny asa fitoriana dia tena nataony tam-pinoana.

Dia niroso ihany koa tamin’ny lalan’ny fanambadiana
Ny niantefan’ny safidiny dia  ramatoa Lala HARIMBELO
Tojo ny tia sy ny tiana ka tsy hay lazaina ny hafaliana
Vady tolo-janahary, miara-dia hatrany na faly na  malahelo.

Taorian’izay indray dia nanohy nianatra taty Andafy
Hahazoana ny licence ka  nikofokofoka aok’izany.
Nohararaotiny ny fotoana. Tsy moramora fa nihafy…
Nody ventiny izany ka lasa Tale tao  amin’ny Akany,

Dia Ilay Akany kristianina an’ny FFPM ao Antsahamanitra,
Izay  natokana indrindra indrindra ho  fitaizana ny  zazalahy,
Ho fanabeazana ny maha-olona, ho voninahitr’Andriamanitra.
Adidy amin’ny taranaka ny fikolokoloana ny aim-panahy.

Anisan’ny nanohana azy hatrany tamin’ny asa fanompoana
Niara-dia na aiza na aiza tany aleha, tsy namela azy ho irery
Dia ramatoa Lala HARIMBELO vadiny. Eny, tam-pinoana
No nandraisany  izany ho Adidy masina. Sanatria tsy an-tery.

Efa nandrindra tao amin’ny FPMA Paris ary koa Poitiers
Sy Saint-Simon teo aloha sady tao amin’ny Birao Foibe
Nandritra ny taona maro i pasitera Andriamampianina Désiré.
Tsy hohadinoina koa  ny FPMA Bordeaux. Moa tsy izany ve ?

Tao koa ireo zanany telo mianadahy avy amin’ny Tsitoha,
Izay tsy nanakana azy na oviana tamin’ny asa fitoriana
I Hanitriniaina sy Mbelotiana  no teraka  taty Andafy moa
I Henintsoa no tany Madagasikara izay Akany niaviana.

Tamin’ny taona 68 no nanombohany tamin’ny FPMA
Efapolo taona izao. Isaorana ny Ray, fahasoavana tokoa.
Nahay nifandray tsara tamin’ny Malagasy sy ny Vazaha.
Ny traikefa dia ananany. Ny talenta nampiasainy koa.
Tsara homarihina fa izy tsy mpitandrina matihanina
Tsy nandraisany karama mihitsy ny asa fitandremana
Noho izany dia  niasa i pasitera Andriamampianina
Satria moa efa aty am-pita no nofinidiny  ho fonenana.

Tsy zoviana amintsika i pasitera Andriamampianina
Namela dindo ny Efapolo taona nitandremany taty
Niasa tamin-joto hatrany, Mpitandrina tsy matihanina
Nitory ny Vaovao Mahafaly dia ny Filazantsaran’i Kristy.

Niainan’izy mivady ireto ny fanahim-panetrentena.
Tsy fombany ny misehoseho fa miasa am-pitiavana
Tena toetrany izany. Ny mandefitra no fahendrena
Na reraka aza indraindray mbola entanim-piniavana.

Efa nisy fotoana naha-tompon’andraikitra ny FPMA
An’i pasitera Andriamampianina. Izy no nisolotena
Raha nisy nilana izany. Tena midadasika ny saha
Nefa notontosainy am-pitiavana, an-tsitrapo, tsy noterena.

Ny Faritany Atsimo Andrefana no nandray an-tànana
Ny fanatontosana ny Jôbily izay iainantsika etoana.
Ravoravo am-panahy ny Vaomieran’ny Fampihavanana
Tsy ambakan’izany koa ny Vaomieran’ny fanompoana.

Mbola ananany andraikitra ireo Vaomiera roa ireo
Tsy miamboho adidy izy. Nekeny tamim-pitiavana
Mpanompo vonona hanompo. Na oviana tsy ho leo.
Ny hazo fijaliana nentiny ka tsy nasiany fandavana.

Hita fa nanamarika azy tokoa ny fiainana taty Andafy
An’Andriamanitra ny fandaharana. Izy fiasana ihany.
Amin’izao fotoana izao dia efa fito mianadahy ny zafy.
Fahasoavana avy amin’ny Ray ka isaorany azy hatrany.

Koa arahaba ry izy mivady tratr’izao fotoana izao ;
Andro notahin’ny Tompo, tena fahasoavana tokoa.
HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA izay tsy mandao
Na oviana fa momba sy mitahy, tia sady manasoa.

Enga anie ity Jôbily masina ity mba hanjary fitahiana
Ho an’ny lavitra sy ny akaiky, ny FPMA manontolo,
Ka tsy hisy ho diso anjara ary hampitoetra fifaliana
Noho ny asan’ny Fanahy izay miahy sy manolokolo !
Ramatoa RAHARIJAONA Marie-Angèle, Mpitandrina
CHRIST-ROI faha-26 oktobra 2008

 

17 OCTOBRE MADAGASCAR – ANDRO IRASAM-PIRENENA ANDAVANA NY FAHANTRANA – Journée mondiale du refus de la misère reconnue par les Nations Unies 17 octobre, 2008

Posté par rahelys dans : A lire,A visiter,Anniversaire,Journée Internationale,Protection famille,Santé - Environnement,Santé publique,Solidarité,vie quotidienne , ajouter un commentaire

Efa 20 taona izao no nisy ity andro ity kanefa mahagaga fa toa vao maika mitoetra ary mirongatra ny
Fahantrana eran-tany amin’ny fomba maro samy hafa !

Ny tianay ho lazaina hanamarianay ity andro ity dia

« Tsy ny zava-boahary enti-manana mamelona ny olombelona no tsy misy, indrindra fa eto Madagasikara fa ny fomba fitantanana azy ireo na ny fanaovana Ny FAMELOMANA NY MPONINA MALAGASY ALOHA no tsy mbola mifantoka amin’ny tarigetran’ireo tokony hanao izany !

Mbola « manenjika ny  masokarem-pirenena » aloha isika koa dia adino ny mponina izay maha-firenena ny firenena !

-Reraka tsy manana tohan’aina ampy isan’andro ny firenena !

-Latsaka ao amin’ny fahabadoana ny firenena !

-Milona ao anaty fahalotoana : rivotra, rano, lalàna, tsena, tontolo iainana ny firenena !

-Miady amin’ny otrik’aretina maro ny firenena !

-Mipitrapitra mijery ny tany lova navelan’ireo Razany

sy ny haren-tany lasan’ny mpanambola ny firenena !

-Mangetaheta ambony lakana ny firenena !

Moa ve mbola misy maha-firenena izany intsony ? » – Olga HELISOA

AROVY NY HAREM-PIRENENTSIKA : MPONINA SY NY TONTOLO IAINANY
http://www.dailymotion.com/video/k23HC6WFB1hTNWnV7aPROTEGEONS NOTRE PATRIMOINE NATIONAL : L’HOMME ET SON ENVIRONNEMENT

JOURNEE MONDIALE DU REFUS DE LA MISERE
reconnue par les Nations Unies comme la Journée internationale pour l’élimination de la pauvreté

Hebergeur d'images

Je signe l’Appel à s’unir pour un monde sans misère
Une mobilisation permanente pour les droits de l’Homme et la paix

« LÀ OÙ DES HOMMES SONT CONDAMNÉS À VIVRE DANS LA MISÈRE,
LES DROITS DE L’HOMME SONT VIOLÉS.
S’UNIR POUR LES FAIRE RESPECTER EST UN DEVOIR SACRÉ. »
Père Joseph Wresinski

Je suis d’accord avec cet appel gravé sur le Parvis des libertés et des droits de l’Homme, au Trocadéro *, à Paris (France) le 17 octobre 1987 et je me joins au courant du refus de la misère qui rassemble des défenseurs des droits humains de tous les pays.

* Lieu de signature de la Déclaration Universelle des Droits de l’Homme le 10 décembre    oct17.orgHebergeur d'images

Cela existe depuis 20 ans déjà !
SOLIDARITE AU-DELA DES MOTS !

MISERE … MISERE… ASSEZ !

TEMOIGNAGE
Madagascar – Antananarivo
Max Rostand

Ingénieur
Notre pays vit depuis toujours dans la misère et moi même j’ai côtoyé et subi la misère. On sait que c’est pas la fatalité mais ce genre d’action permet de changer la situation. In oct17.org

 

TEMOIGNAGE
La misère et non plus la pauvreté se développe partout dans le monde à la vitesse grand V !
Il ne s’agit plus de manque d’argent ( qui perdure), ni de la solitude, ni de l’exclusion sous toutes les formes mais il y a par dessus tout cela des formes de misère qui étaient diffuses mais devenues maintenant tenaces: l’analphabétisme, l’indifférence, l’égoïsme, l’intolérance parmi la « populasse » et voire « le mépris chez les nantis, le people…! »

De l’autre côté, il y a une masse misérable qui fouille les poubelles (partout dans le monde) et en face, on ne se gêne pas de faire étalage de futilités qui peuvent nourrir raisonnablement l’univers durant des années …!

Comme pour tout sur cette planète, tout doit et peut se faire AU JOUR LE JOUR mais pas seulement « UNE JOURNEE » !

C’est surtout notre mentalité et par delà nos modes de vie que nous devons changer :
« QU’AS-TU FAIT DE TON FRERE? »
De nos jours, vu l’état de misère sur la planète terre, peut-on encore dire qu’au sein de notre société, nous les terriens nous pouvons encore nous voir comme « frères » ?
La réponse est du côté de chacun d’entre nous . – Olga HELISOA, HELI’S MADAGASCAR E-Enseignement

Hebergeur d'images

Locations of visitors to this page

14 OKTOBRA 2008 – 1958…50 TAONA IZAY !… NY REPOBLIKA MALAGASY VOALOHANY – IL Y A 50 ANS…La 1E REPUBLIQUE MALGACHE ! 15 octobre, 2008

Posté par rahelys dans : A lire,Anniversaire,Colonisation,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Histoire - Commémorations,Identité malgache , ajouter un commentaire

MANAMARIKA NY TANTARAM-PIRENENA

Hebergeur d'images

Ao anatin’ny Repoblika fahatelo moa isika izao.

Tsara tokoa ny manamarika ny tantara ho an’ny taranaka. Mampalahelo fa toa tsy nisy fanamarihana azy ity any an-tanindrazana amin’ny fomba ofisialy.

Ny tenan’ny mpanoratra dia mbola tsy teraka raha teraka ity Repoblika voalohany ity, nefa tsy afaka ilaza fa tsy raharahiko izany satria izaho mbola tsy teraka tamin’izany. Iombonantsika Malagasy anefa ny tantara, ka tandremo mandraraka ilo mby an-doha. Misy lafiny ratsy sy lafiny tsara foana izany.

 

INONA IZANY « REPOBLIKA »  IZANY ? 

Tsotra kely ny valinteniko : Fitondrana mampitovy ny zo aman-kasin’ny tsirairay, mitsinjo ny soa iombonana (res publica) ary tsy ifandovana ny fifandimbiasam-pitondrana.

Tsy misy eo ambonin’ny lalàna. Avy tany amin’ny fanjakan’Andriamanjaka isan-karazany isika dia niditra tao amin’ny fanjanahantany ary niroso niditra ato amin’ny Repoblika.

Filohan’ny Repoblika efatra, Repoblika telo : Philbert Tsiranana, Didier Ratsiraka, Albert Zafy ary Marc Ravalomanana.

Ny mba ifampizarako fohy dia fohy amintsika dia tsiahy ho an’ireto taranaka ny tantara fohy nahaterahan’izany Repoblika izany.

Fintina e.Tsy an’ny PSD akory ny Repoblika Voalohany, na an’ny AREMA ny Repoblika Faharoa na an’ny UNDD na TIM ny Repoblika Fahatelo fa an’i Madagasikara. Tantara mipetraka. Izany no tokony ho izy amin’ny fanabeazana amin’ny maha- olom-pirenena. Ny mpitondra mandalo ihany fa i Madagasikara mietra sy ny vahoaka ao aminy.

TAORIAN’NY TOLONA TAONA1947 – TOE-TSAINA FENO HOROHORO
Nisy ny herisetra, aina maro nahafoy. Tokana no tanjona : Madagasikara Mahaleotena, fanafoanana ny fanjanahantany, ilay « loi d’annexion de 1896« . Ny hevitra no tsy mitovy amin’ny fitakiana izany.

Ao ireo mitaky ny fahaleovantena mangarahara ary haingana (toy ny MDRM…), ary ireo mitady fizakantena miaraka amin’ny LaFrantsa amin’ny fomba miadana mankany amin’ny fahaleovantena (toy ny PADESM…), ary ao ireo mitady fiarahana hatrany amin’ny Frantsa karazana federalista (Toy ny RFM na Regroupement Fédéral de Madagascar teraka ny taona 1955….) …

Diso fanantenana ireo olon-janantany taorian’ny ady lehibe voalohany satria lasa resabe ilay fampanantenana nataon’i Jeneraly De Gaulle tao Brazzaville nampanantena rivo -baovao eo amin’ny Frantsa sy ny zanataniny. Teo koa ny Dinan’ny San Francisco, loharanon’ny ONU izay mitaky ny fizakan-tenan’ny vahoaka (autodetermination du peuple), izay malaza tsy ihinanana toa vilian-tsahona.

REPOBLKA FAHA-4
Teto Frantsa dia nanangana ny Firaisambe Frantsay fa tsy nampiova ny fiainan-janantany.
Feno ady lahy politika fotsiny teto Frantsa.
Ny ady tany Vietnam ka niafara tamin’ny faharesen’ny Frantsay tao Dien Bien Phu ny volana mai 1954, sy tany Algérie ka niafara ny fiantsoana ny Jeneraly De Gaulle ho Président du Conseil volana  mai 1958 no azo lazaina fa nanafaingana ny raharaha politika taty Frantsa ka nampiova ny fifandraisan’ny Frantsa sy ny zanatany, niala aina ny Firaisambe Frantsay.
Teto Madagasikara koa nampisy fanantenana ho an’ny malagasy indray ny taratasy navoakan’ny Evekan’ny Madagasikara ny taona 1953 izay manohana ny fitakiana ny fahaleovantena ho an’ny Madagasikara.
François Mitterrand koa moa fony izy ministry ny tany Ampitan-dranomasina  ka nandalo taty Madagasikara ny volana janoary 1951 dia nikabary be tsy manome fanantenana fa betsaka ronono an-tavy no nataony tao amin’ny Assemblée Représentative izay nisy tamin’izany fotoana izany. Nisy koa ny Asemblées Pronviciales.

FITONDRANA SOSIALISTA – FEBROARY 1956
« Front Républicain »  nanao ilay Lalàna lasitra « Loi-cadre » izay Gaston Defferre no ministry ny tany Ampitan-dranomasina tamin’izany. Lany tao amin’ny Assemblée Nationale io Lalàn io ny  23 janoary 1956.
Nitondra fiovana teo amin’ny fiainam-politika taty amin’ny zanatany io satria nanamafy ny lalàna momba ny communes lany ny 18 novambra 1955 momba ny suffrage universel (fandatsahambato mivantana ataon’ny vahoaka) sy ny collège unique izany hoe : tsy misaraka intsony ny vazaha sy ny Malagasy dia nampiarina tany amin’ny fifidianana rehetra ( Assmblées locales).
Ny décret fampiharana io Lalàna io dia nivoaka ny volana febroary sy marsa 1957. Teraka ny Conseil Provincial ka nanana fahefana betsaka ny filohany. Ny Haut-Commissaire no mitondra ny Conseil du Gouvernement fa nihena ny fahefany.


MAI 1957 ASSEMBLEE REPRESENTATIVE

Nijoro ny governemanta voalohany tarihan’ny Haut-Commissaire izay André Soucadaux, ary Philibert Tsiranana no Lefitra, ry André Resampa no ministry ny Fanabeazana  sy ny Tanora ary Alfred Ramangasoavina no ministry ny vola sns…
PROVINCE DIEGO-SUAREZ teraka ka lasa 6 ny isan’ny Provinces eto Madagasikara.

Lasa fianaran-draharaha ny rafitra najoron’ity Lalàna ity, nanomana ireo mpanao politika malagasy izay vonona handray fahefana.
Tahak’izany ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna tamin’ny 18 novambra 1956. Teto dia efa mba nanomana olona ihany ny Frantsay tamin’ny alalan’ny Antoko PSD ( teraka volana desambra 1956), izay nanao ny Kongresiny voalohany tao Mahajanga ny volana aogositra 1957, ary teraka ny gazetin’ny PSD La République (1957 -1972), Ny Ady Tsara (1957 – 1958) sns….
Ny mpanohitra ny Loi-Cadre kosa moa dia nanao ny Kongresiny tao Taomasina ny 2-3-4 mai 1958), mitaky ny ampijoroana ny République malgache unitaire et démocratique .
Teraka tamin’izany ny AKFM. I DE Gaulle moa rehefa tafaverina teo amin’ny fitondrana dia nampanao fitsapan-kevi-bahoaka hananganana ny Repoblika Frantsay fahadimy. Nampandeha haingana ny raharaha politika io satria nampanantena fiovana lehibe i De Gaulle raha mandresy ny « eny ».

FITSAPAN-KEVI-BAHOAKA 28 septambra 1958
Manenara Frantsa sy ny Firaisam-be Frantsay. Nandresy ny « eny », torak’izany koa teto Madagasikara (83%).

Voaresaka sahady moa ny hala-bato ho an’ny resy ary fifidianana malalaka ho an’ny mpandresy !!!! Rakotonirina Stanislas ben’ny tanàna malagasy voalohany tao Antananarivo moa nampanao « tsia » dia voahilika tao amin’ny Assemblée Constituante ary nosoloana an’i Gabriel Razafintsalama talen’ny gazety « Fandrosoam-baovao nampanao « eny ».

Satria moa ny Jeneraly De gaulle dia nampanantena fa hiova ny fifandraisan’ny Frantsa sy ny zanatany amin’ny alalan’ny Communauté.

Teraka ny 14 oktobra 1958 ny REPOBLIKA MALAGASY VOALOHANY

FANONTANIANA
Misy heviny ho an’ny Malagasy ve izany Repoblika izany eo amin’ny fiainany ?
Fantany ve ny soatoavina repoblikana ?

ELIASY Liva, mpandalina tantara, mpampianatra tantara kilasy madinika tany Madagasikara

 

*****

 

MAFY NY MANJO NY FIRENENA MALAGASY
Koa mino sy matoky izahay fa FANTANY NY ATAO HOE « soatoavina repoblikana »
ary raha sanatria aza « tsy fantany » izany dia HADISOAN’IZA ?

Misy mihevitra fa mora ny mitondra Firenena ampahantrana sy aletika anaty ny haizin’ny habadoana…Kanefa NIHOATRA IZANY NY FIRENENA MALAGASY koa tsy nanaiky ary tsy manaiky ny hiletika anaty ady an-trano, fankahalana fa miady amin’ny tsy fahampiana amin’ny fomba maro !

http://www.dailymotion.com/video/keMz4pbwXtr9eIgGqD

HATR’AIZA, RY GASIKARAKO ?

MIDERA ANAO AHO RY TANINDRAZAKO !
MIDERA ANAO AHO RY FIRENENA MALAGASY
AMIN’NY FAHENDRENAO sy ny FAHARETANAO
HATR’AIZA ?
HATR’AIZA NO HITONDRANA NY ZIOGANAO ?

HATR’AIZA IANAO VAO HAJAINA
AMIN’NY MAHA-OLO MANAN-KASINA
SARO-BIDY sy MENDRIKA ANAO ?
HATR’AIZA ?
RAMANATANTARA, Paris, 15.10.2008

 

RADO – Zoma 3 Oktobra 2008 @ 8 ora alina FPMA 16 rue Chauchat 75009 – Paris FANOMPOAM-PIVAVAHANA IRAISAM-PINOANA 1 octobre, 2008

Posté par rahelys dans : Anniversaire,Culture,Hommages,Identité malgache,poèmes,Prieres,Solidarité , ajouter un commentaire

01.10.2008  -  01.10.1923   85 taona nahaterahan’i

RADO – ANDRIAMANANTENA Georges

Hebergeur d'images

Manasa antsika rehetra hanatrika ny fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana hofanomezam-boninahitra an’Andriamanitra sy ho fampaherezana ny fianakaviana
sady ho fahatsiarovana ny faha-85 taona nahaterahany.

ny Zoma 03 Oktobra 2008 amin’ny 8 ora alina

ao amin’ny FPMA Paris, 16 rue Chauchat 75009 – Paris

 

*****

VONINKAZO ADALADALA (FAHA-80 TAONAN’I RADO)

 

VONINKAZO ADALADALA 

Voninkazo adaladala ! Voninkazo tsy misaina
Fa mamony samirery eo an-tany karankaina
Ny manodidina rehetra efa ringitra avokoa
Efa tapitra matory… ! Izy irery no mifoha.

Misy koa ny fo adala ka tsy mety manadino
Ny rehetra raha mangina, izy kosa mbola mino
Mbola tena mahatsiaro ilay Fitiavana ninoany
Mbola velona ao am-pony, tsy mitsahatra mamony

RADO 11 janoary 2002, Midi-Madagasikara, 2,10,03

*****

80 TAONA anio i RADO (Georges Andriamanantena)
1 oktobra 1923 – 1 oktobra 2003

Anio no mitsingerina ny faha 80 taona nahaterahan’i Georges Andriamanantena, diso fantatra loatra amin’ny anarana hoe RADO. Isan’ireo olona ambara ho andrarezin’ny fanandratana ny teny Malagasy sy fikajiana ny soa toavina izay mampiavaka an’i Madagasikara eo anatrehan’izao tontolo izao ny tenany.

Tononkalo sy asa-soratra maro no fantatra fa nosoratan’i Rado eo amin’izay fanandratana ny teny sy ny maha Malagasy azy izay. Amin’izao tsingerin-taona faha 80 n’i Rado izao dia manolotra firariantsoa sy fiarahaba ho azy manokana izahay eto amin’ny  » Gazetiko « …- Gazetiko du 01-10-03

Asaramanitra 2008 ! Meilleurs Voeux pour Madagascar 27 juin, 2008

Posté par rahelys dans : Anniversaire,Développement,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Fêtes,Histoire - Commémorations,Identité malgache , ajouter un commentaire

26.06.1960 – 2008 : MADAGASIKARA MAHALEOTENA

MADAGASCAR INDEPENDANCE


Arahaba e ! Asaramanitra e !

« Asara » fotoana eo amin’ny taona izay vokatra tokoa koa mamelombelona ireo fofona avy amin’ny voankazo sy zava-maniry maro !

Fanambinana sy soa tokoa izany fanomezana avy amin’ny voahary izany koa miara mifaly sy mioby isika midera Ilay Mpahary izay manome antsika tombon’andro afahantsika miaina izao vanin’andro lehibe eo amin’ny fiainam-pirenena izao.

 

Miarahaba e ! Mirary soa an’i Madagasikara Tanindrazana malala !
Manantena antsika HIVAVAKA ho an’i Madagasikara, ho an’ireo mpitondra manampahefana rehetra ao, ho an’ny Malagasy eran-tany! Hifampivavaka anie isika mba hifankatia, hifanaja, hifanampy, hifampitsinjo ka ho tany sambatra i Madagasikara !

 

http://www.dailymotion.com/video/x2bky0

 

Zanahary O tahio «O Créateur, protégez Madagascar, notre Patrie bien aimée»

 

En ce jour de commémoration de l’indépendance de Madagascar, nous sommes honorés de présenter nos meilleurs voeux à la grande île, notre chère patrie: Madagascar.

 

Que tout ce que le pays a vécu jusqu’à maintenant constitue un chemin d’apprentissage pour bâtir un avenir meilleur et durable !

12

Lanaudière... moutons, caro... |
DAROU L ISLAM |
ENSEMBLE ET DROIT |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Faut-il considérer internet...
| Le blogue a Voliere
| Cévennes : Chantiers 2013