navigation

RAKOTO FRAH 02.10.2008 – 02.10.2001 – HOMMAGES 4 octobre, 2008

Posté par rahelys dans : A visiter,Art - Zava-Kanto,Culture,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Histoire - Commémorations,Hommages,Identité malgache , ajouter un commentaire

Hebergeur d'images

Photo RTA, Madagascar

O RAKOTO O

http://www.dailymotion.com/video/k4wgALi7cYvysTiRFN

7 TAONA LASANA… NANDAO ANTSIKA RAKOTO FRAH
MPITSOKA SODINA MALAZA NIGAGANA !

RAKOTO FRAH  2 octobre 2001 – 1923   TOHINY
*****
7 ANS DEJA… RAKOTO FARAH – LE GRAND MAITRE DE  « SODINA » (FLUTE MALGACHE) EST MORT SUITE

29.09.08 ASARAMANITRA Taona vaovao MALAGASY – Nouvel AN MALGACHE ! 30 septembre, 2008

Posté par rahelys dans : Culture,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Fêtes,Hommages,Identité malgache , ajouter un commentaire

Asaramanitra, TAONA VAOVAO MALAGASY ny 29 septambra 2008 – 11 ora sy 13mn

Ho tratry ny ela daholo hifanasoa amin’ny tany sy ny Tanindrazana e !

ARAHABA TRATRY NY ASARAMANITRA  !… TOHINY

Le 29 septembre 2008 à 11h13 est le NOUVEL AN MALGACHE !

BONNE ANNEE à tous !

En malgache on dit: « ASARAMANITRA » ! « ASARAMANITRA » !

On se souhaite « LES PARFUMS DE L’ETE » !…   SUITE

 

 

http://www.dailymotion.com/video/k6x3lkszIHxsN9gmsE

CHANT PATRIOTIQUE MALGACHE

Chanté dans les églises et temples lors des grandes occasions car c’est un cantique qui dit:

« ZANAHARY O TAHIO NY TANINDRAZANAY !

O CREATEUR BENI ET PROTEGE
NOTRE PATRIE, TERRE DE NOS ANCETRES ! »

2008 Taona md PAOLY APOSTOLY – ANNEE ST PAUL APOTRE – Cathédrale St Paul IHOSY 29 septembre, 2008

Posté par rahelys dans : A visiter,Culture,Decouverte,Développement,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Hommages , ajouter un commentaire

Hebergeur d'images

KATEDRALY md V. PAUL ao IHOSY

Amin’izao taonan’i Paoly  Apostoly izao dia voninahitra ho anay ny mitondra anao hitsidika ity toerana iray mirakitra harem-panahy sy haren-tsaina malagasy ity.

Ny KATEDRALY md V. PAUL ao IHOSY dia vavolombelona fa mety sy rariny tokoa raha amin’ny fomba sy kolontsaina malagasy no entintsika Malagasy midera sy manandratra ny Haja sy Saotra an’ilay MPAHARY antsika… TOHINY

 

*****

 

CATHEDRALE ST PAUL D’IHOSY

En cette année de l’apôtre Paul, nous sommes heureux et honorés de vous présenter une des merveilles du patrimoine malgache : la CATHEDRALE d’IHOSY (sud malgache), la ville principale des BARA …  SUITE

GRG – Georgette RANIVOARIVELO Gabrielle : 1932-2008 Madagascar – HOMMAGES (Suite 2) 28 septembre, 2008

Posté par rahelys dans : A lire,Culture,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Femme,Hommages,Identité malgache,Malagasy: Teny,poèmes , 1 commentaire

Hebergeur d'images

Miarahaba,

Miara-miondrika amin’ny Fianakavian’i GRG sy fianakaviamben’ny Haisoratra malagasy amin’izao vanin-taona mafy tsy maintsy diavintsika ety ambany masoandro izao…

Nandao antsika saingy namela ny sahan’ny literatiora malagasy feno hanitra tsy resy resen’ny fahafatesana.

 

Mihelina ihany Ra-olombelona
Mifandimbidimby sy aelin’ny rivotra
Fa ny asa navelany ho antsain-ko velona
Ny soa hitsingerina, ny ratsy ho ringitra

Ny soa tavela sy ny firoborobony
Tsy hitsahatra hatreo ny fisandratany avo
Toa tononkalo amin’ny firedoredony
Tsy mety maty sy tsy mety lavo

Ny mamela mamy, maty miadana
E ! Ny andro rehetra dia fandalovana
Fa tsy ho lefy hanitra ilay fisiana
Ho velona an-koatra, sy ho tsara levenana.

Ny Kanto.

FABIEN GASTON RAZAKANDRAINIBE, 27.09.2008

Locations of visitors to this page

27 septembre 2008: Madagasikara, Andro eran-tany ho an’ny Marenina (NAIVO MARENINA) – XVe Journée mondiale des sourds (Suite) 27 septembre, 2008

Posté par rahelys dans : A lire,Coup de coeur,Decouverte,Enfance - Jeunesse,Evénements HELI'S MADAGASCAR,handicap,Journée Internationale,Solidarité , ajouter un commentaire

Mitaky zo hampiasa ny fomba seraseran’ny marenina sy môna amin’ny tànana – Hampiroborobo izany fomba izany eran’ny nosy

 

NAIVO MARENINA
Mpanoratra : RAKOTONDRAJAO Teodimanana, talen’ny akany fanabeazana ny marenina

VOTOATINY
: Fanabeazana ny marenina sy ny tombontsoa azony amin’izany.

HITA AO ANATY BOKY :
- Manjo ny tokantrano manan-janaka marenina
- Fiainan’ny zaza marenina tsy mbola mianatra
- Soa azo amin’ny fianarana any amin’ny sekoly voatokana marenina
- Fomba fiasan’ny marenina
- Mahatonga ny Faharenenana
- Tokantranon’ny marenina
- Marenina ao anaty fiaraha-monina

FANAFARANA ny boky: Ankany Marenina 67 HA (Afovoany) 101 ANTANANARIVO – MADAGASCAR
Ed : 1988 – Prix : 1500 fmg (ankehitriny Ariary ?)

 

Clip d’une chanson co-écrite par

des jeunes du CROP (Centre de Ressource de l’Ouïe et de la Parole) et des animateurs de l’association Pacte de la ville de Caen
http://www.dailymotion.com/video/k3lQJqF77x4ylkgWe5

Pour le droit à la langue des signes LS , la valoriser

LIVRE MALGACHE SUR LA SURDITE

« NAIVO MARENINA »

« Naivo marenina » ou  » Naivo le sourd  » écrit par RAKOTONDRAJAO Teodimanana, directeur du centre d’éducation pour enfants sourds

Un livre, en langue malgache, dont

le sujet est la SURDITE, la VIE DES SOURDS, surtout des enfants :

Comment attrape-t-on la surdité ?

- La vie d’un foyer ayant un enfant sourd

- Un foyer de couple sourds

- Le centre d’éducation pour enfants sourds

- Le sourd dans la vie avec les entendants…

 

Commande Ankany Marenina 67 HA (Afovoany) 101 Aantananarivo – MADAGASCAR

Ed : 1988 – Prix : 1500 fmg (maintenant en Ariary ?)

Hery RASOLO: Producteur, cinéaste documentaire – Madagascar HOMMAGES (Suite) 26 septembre, 2008

Posté par rahelys dans : A lire,Cinéma malgache,Culture,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Hommages,Identité malgache,Malagasy: Teny,poèmes,Solidarité , ajouter un commentaire

LASA i Hery RASOLO
Hebergeur d'images

Miarahaba e !

Manjombona tokoa ny lanitry ny literatiora sy ny kolotsaina manoloana ny voina misesy tato ho ato. Indro alefako ity Fehezam-boninkazo ity ho fiombonam-po amam-panahy noho ny fahalasanan’Itompokolahy Hery RASOLO.
Mirary fiononana feno sy faherezana ho an’ny Fianakaviana manontolo aho sady mitondra amim-bavaka.

Ramatoa RAHARIJAONA Marie-Angèle, Mpitandrina

 

VELOMA

(Ho fiombonam-po amam-panahy noho ny

fahalasanan’Itompokolahy Hery RASOLO)

 

Gina, sina ny rehetra raha nandre fa lasa ianao,

Lasa nialoha làlana. Hatramin’ny lanitra jerena,

Lanitra ory, malahelo. Mitroatra avy ao anaty ao

Ny fahatsiarovana rehetra. Tsiaro tsy hay fefena.

 

Gina, sina ny rehetra, gina sina anefa ho aiza ?

Lalàm-piainana izao, lalà-mifehy ny manana aina.

Malahelo ny mpianakavy sy ny namana, sakaiza

Nefa tsy afaka manoatra. Lasa ilay nandrandraina.

 

Gina, sina ny rehetra, vata-mangatsiaka sisa,

Nindaosin-dRafahafatesana Ilay Zanak’i Gasikara

Kintana iray niavaka tamin’ireo kintan-tsy ho voaisa,

Nitondra  anjara biriky ho voarakitra an-tantara.

 

Gina, sina ny rehetra, manoloana izato lahatra.

Gina, sina ny rehetra nandre ny fahalasananao.

Rehefa tonga izany ora tsy misy afaka mamahatra

Koa mandria am-piadanana, eny veloma no atao.

 

Ramatoa RAHARIJAONA Marie-Angèle, Mpitandrina
Frantsa 25 septambra 2008

GRG – Georgette RANIVOARIVELO Gabrielle : 1932-2008 Madagascar – HOMMAGES (Suite) 23 septembre, 2008

Posté par rahelys dans : A lire,Culture,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Femme,Hommages,Identité malgache,Malagasy: Teny,poèmes,Solidarité , 1 commentaire

Hebergeur d'images

Georgette Ranivoarivelo Gabrielle – GRG (1932-2008)
Poety, mpanoratra, mpikabary, mpitoriteny, manandratra ny teny malagasy

*****
« On a surtout connu GRG à travers une émission de la Radio Madagascar,  « Feom-baliha mena masoandro » qu’elle a réalisée avec Ener Lalandy.

Elle a déjà publié plusieurs livres et a écrit dans des journaux, « Sakaizan’ny tanora »,  « Malagasy ara-drafitra », « Fisainana GRG tononkalo » et  « Fisainana GRG tantara sy sombin-tantara » …-  Annick Sedson, Les nouvelles, 22.09.2008 »

*****

Miarahaba,

Malahelo ny fo amam-panahy amin’izao fandaozan’Itompokovavy Georgette RANIVOARIVELO Gabrielle antsika izao.Mirary faherezana sy fiononana feno ho an’ny Fianakaviana manontolo aho sady mitondra amim-bavaka.

Indro misy tononkalo nosoratako ho fiombonam-po amam-panahy amin’izao fisarahana an-tany izao.  Fehezam-boninkazo atolotro an’i G. R. G.

Ramatoa RAHARIJAONA Marie-Angèle, Mpitandrina.

 

TONONKALO – POEME

BANGA ANAO

(Georgette RANIVOARIVELO Gabrielle  1932-2008)

 

« Maty i G. R. G. »,
Hoy ny feo re.
« Maty i G. R. G. »,
« Ramatoa Georgette RANIVOARIVELO Gabrielle e ! »

Mova tsy ny feon-dakolosy ny fandrenesana izany
Dia feon-dakolosy izay manaitra avy hatrany
Mampahatsiahy fa ny fiainana an-tany
Tsy mateza, eny mielina ihany
Mampitomany.

Mibosesika ao anaty mifanao tsy omby aloha
Ny momba azy rehetra, malahelo ery ny fo !
Vehivavy malagasy tena niavaka tokoa
Mpanoratra hafa kely koa
Mpikabary nahaliana
Nahay nampikoriana
Ny teny aok’izany
Ny Feom-baliha
Sy ny Valiha
Dia porofo
Fa nilofo
Hatrany
Teto an-tany
I G. R. G.

 

Ary angaha izany ihany ? Anisan’ny lisy,
Amin’ny lisy. Anisan’ny lisy,
Nanam-pinoana, dia finoana
Narahina asa ka niezaka
Tsy nitofezaka
Fa nijoro
Sy nanoro
Nefa nafoy
E reroy !

 

Andrarezin-diteratiora, nampakatra avo ny Faneva,
Nampamerovero hanitra ny kanto sy ny meva
Tsy niamboho adidy fa niezaka, nilofo
Ho fitaizana hatrany ny solofo
Sy ny dimby. Koa raha lasa
Izy ankehitriny, ny asa
Nataony hotsaroana
Tsy ho foana

 

Banga anao ny toerana ry Vehivavy mendri-piderana
Banga anao ny toerana.
Ianao namonjy ilay fitàna.
Isaorana ny Mpahary nampisy anao teto an-tany
Fahasoavan-dehibe ho an’ny taranaka izany
Fahasoavan-dehibe ny fandalovanao tety
Kintan-diteratiora namiratra ery.

Koa mandria am-piadanana
Nanana olona ka nanana
I Gasikara nisy anao
Ny taranaka
Hanaraka
Tsy hanary
Ny soa fihary
 

Ramatoa RAHARIJAONA Marie-Angèle,  Mpitandrina

22 septambra 2008, Frantsa

Photos – Fête assos 2008 Massy – Sarin’i HELI’S MADAGASCAR 17 septembre, 2008

Posté par rahelys dans : A visiter,Blog Photos,Culture,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Fêtes,Solidarité , ajouter un commentaire

Les photos devant, autour du stand de HELI’S MADAGASCAR

Fête associations 13.09.2008 Massy – Voir  http//helysoa.blogzoom.fr et suivantes

Hebergeur d'images

Sary rakitry ny 13.09.2008 fetin’ny fikambanana samy hafa ao Massy – Nalaina teo anoloana sy manodidina ny tranolain’i HELI’S MADAGASCAR

Jereo ato   http//helysoa.blogzoom.fr sy ireo pejy manaraka

FANASANA /INVITATION – 13.09.08 Fête ASSOCIATIONS MASSY 11 septembre, 2008

Posté par rahelys dans : Culture,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Fêtes , ajouter un commentaire

Hebergeur d'images

La Fête des Associations, samedi 13/09, sera l’événement de la vie massicoise de 10 h à 16 h au Parc des Sports, sis près de l’hôpital J. Cartier Massy.

Vous êtes cordialement invités à cet événement. Notre stand est celui de HELI’S MADAGASCAR Association E-Enseignement.

*****

FANASANA

Ny sabotsy 13 septambra 2008, manomboka ny 10 ora maraina ka hatramin’ny 4 ora hariva ao amin’ny Parc des Sports akaiky ny Hôpital J. Cartier, Bus 197,  dia andro natokana ho an’ireo fikambanana ao Massy -91.

Natao hihaonana amin’ny be sy ny maro io koa manasa antsika handalo ao amin’ny sitandy natokana ho an’i HELI’S MADAGASCAR

Madagascar-en-Images – Madagasikara an-tsary 4 septembre, 2008

Posté par rahelys dans : A visiter,Art - Zava-Kanto,Blog Photos,Culture,Environnement,Evénements HELI'S MADAGASCAR,mode de vie,vie quotidienne , ajouter un commentaire

Hebergeur d'images

Pousse-pousse à Tsiroanomandidy -  Madagascar , 2008

Ho tsiahintsika anie ny hanitra, ny soa, ny kanton’ny tanin’i Madagasikara amin’ny alàlan’ ity blog ity MADAGASIKARA AN-TSARY

http://helysoa.blogzoom.fr/home/

En hommage aux beautés de Madagascar, nous sommes honorés de vous annoncer la mise en ligne de notre blog MADAGASCAR EN IMAGES

http://helysoa.blogzoom.fr/home/

 

It’s an  honor to announce you the on-line publishing of our blog « MADAGASCAR IN IMAGES » – In homage to the Madagascar’s  beauties -

http://helysoa.blogzoom.fr/home/

 

123456

Lanaudière... moutons, caro... |
DAROU L ISLAM |
ENSEMBLE ET DROIT |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Faut-il considérer internet...
| Le blogue a Voliere
| Cévennes : Chantiers 2013