26,06,2010 Madagascar – Nozaraina ny mamy – On a partagé le gâteau des 50 ans ! 27 juin, 2010
Posté par rahelys dans : Anniversaire,Fêtes,Histoire - Commémorations,Hommages,Identité malgache,Malagasy: Teny,Mondialisation,Souveraineté nationale malgache , ajouter un commentaireFanapahana ny mamy : »Madagasikara ho an’i Kristy ary i Kristy ho an’i Madagasikara » !
Arahaba tratry ny Asaramanitra
Asara, asara,
Ho tratry ny arivo mitsingerina indray anie
Ka tsy hisara mianakavy isika !
Olga HELISOA, Paris, 27,06,2010
***
UNE PHOTO SOUVENIR
Partage du gâteau pour clore le cocktail organisé par le conseil des Eglises chrétiennes malgaches en France (FFMK – France) à la suite de la prière oecuménique d’actions de grâces à l’occasion du cinquantenaire de l’indépendance nationale malgache.
Cette réunion fraternelle s’est tenue en l’Eglise Notre Dame des Champs 91 bd Montparnasse Paris - Olga HELISOA, Paris, 27,06,2010
26 juin 2010 – Asaramanitra e ! 26 juin, 2010
Posté par rahelys dans : Anniversaire,Art - Zava-Kanto,Culture,dailymotion vidéo,Fêtes,Histoire - Commémorations,Hommages,Identité malgache,Malagasy: Teny,musique,Patrimoine de Madagascar,poèmes,Souveraineté nationale malgache,vie quotidienne , 2 commentairesMANONOFY AHO HOE…
Indray andro any, ao Madagasikara, mbola ho avy ny fotoana izay…
Tsy hitsiriritana intsony ny fotsy sy ny vahiny mikirakira vola,
Tsy hanaovana intsony « oui m’sé – oui m’sé » raha vao mibaiko ry zareo.
Hijoroan’ ny Malagasy amin’ny maha- « olona afaka » azy :
Tsy hanekeny intsony ny handrobana ny haren’i Madagasikara,
Tsy hamonoana intsony izay Mpitondra sahy manatanteraka izany
toy ny nahazo an’ It Ratsimandrava,
Koa ho afaka hanjaka amin’ny haren’ny taniny sy hiadana amin’izany izy,
Ary tsy hisy intsony ny fanjakazakana amin’ny fomba maro samy hafa.
***
Dia tsy ho faty noana intsony ny zanaky ny Malagasy.
Dia ho afaka hitsabo sy hampianatra ny zanany ny Malagasy…
Tsy hisy intsony ny kere fa hilalao rano mamy
ny ankizy miaraka amin’ny andian’ny omby maro eran’ny nosy…
SA DIA HO NOFY IHANY VE ?
RAMANATANTARA, Parisy, 05/02/06
Zanahary o tahio ny tanindrazanay
http://www.dailymotion.com/video/x2bky0
Zanahary o tahio ny tanindrazanay
Handroso lalandava
handry fahizay
Enga anie hanjaka ao ny saina mahay miray
Dia ho tany sambatra ‘lay Madagasikaranay…
26 juin 2010 – Arahaba mahatratry ny Asaramanitra ! 50 Ans: Accession à l’indépendance de Nation et Peuple malgaches 25 juin, 2010
Posté par rahelys dans : A méditer,Développement,Droits homme,Fêtes,Histoire - Commémorations,Hommages,Identité malgache,Mondialisation,Protection de Madagascar,Solidarité,Souveraineté nationale malgache , 1 commentaireArahaba e !
Aoka ny zava-nisy nodiavina rehetra hatrizay ho anatra koa
« mba hahay hamindra isika ho Firenena matotra mandray andraikitra MIARO ny soa sy ny TOMBON-TSOA ho an’ny Malagasy rehetra eto an-toerana sy eran-tany » ka ho tena MIZAKA sy MAHALEOTENA isika. - Olga HELISOA, Parisy, 25,06,2010
A lire SUITE
What a price – Fats Domino
Fahatsiarovana ireo zanak’i Madagasikara namohy aina 1947 29 mars, 2010
Posté par rahelys dans : Anniversaire,Colonisation,Développement,Droits civiques,Droits homme,Environnement,Histoire - Commémorations,Hommages,Identité malgache,Mondialisation,Patrimoine de Madagascar,poèmes,Solidarité,Souveraineté nationale malgache , ajouter un commentaireTSINGERINTAONA HO FAHATSIAROVANA
IREO ZANAK’I MADAGASIKARA
NAMOHY AINA TAMIN’NY TAONA 1947
MADAGASIKARA 29 MARSA 1947 – 2010
MBA HIJORONAO OLOMBELONA
Aondreho ny loha, fo sy fanahy
Fantaro ary tsarovy fa maro
Namohy aina, havana, harena,
Noho ny fijorony Malagasy
Olon’afaka mpizaka tena.
Aondreho ny loha, fo sy fanahy
Tsarovy, ianaro ny mahery fo
Aza adino fa olon’afaka
Aza adino, maka andraikitra
Aza adino fa olombelona ianao.
Aza adino ireo namohy aina
Mba hijoronao olombelona
Fa tsy mpanambaka manao
Amboa dia misary zanakondry
Handrapaka mpiray rà aminao !
Aza adino ireo namohy aina
Mba hijoronao olombelona
Olombelona fa tsy saripotaka,
Mpanambaka, mangalatra,
Mivarotra ny tanindrazana !
Aza adino ireo namohy aina
Mba hijoronao olombelona
Mpiaro kely, mitsinjo mahantra,
Mpiaro ny Malagasy rehetra,
Mpiaro tanin’i Madagasikara !
RAMANATANTARA, Parisy, 29,03,2010
MADAGASCAR 29 mars 1947 – 2010 Le passé nous rattrape toujours 25 mars, 2010
Posté par rahelys dans : A méditer,Anniversaire,Colonisation,Coup de coeur,Développement,Droits civiques,Droits homme,Histoire - Commémorations,Identité malgache,Mondialisation,Patrimoine de Madagascar,Solidarité,Souveraineté nationale malgache , ajouter un commentaireHO TSAROVAN’IREO FARA AMAN-DIMBY !
IN MEMORIAM !
« POUR QUE L’ON SE SOUVIENNE »
Au sein de notre monde globalisé actuel, l’anniversaire de MARS 1947 est plus que jamais
d’actualité car « A FORCE D’ENTERRER LE PASSE, C’EST LE PASSE QUI NOUS RATTRAPE »…
SUITE
JOBILY 25 TAONA – JUBILE 25 ANS FJKM MONTROUGE – FRANCE 10 mars, 2010
Posté par rahelys dans : Anniversaire,Culture,Fêtes,Histoire - Commémorations,Hommages,Identité malgache,Mondialisation,Patrimoine de Madagascar,Prieres,Solidarité , ajouter un commentaireRenseignements
00685116296
www.fjkm-montrouge.fr
FANKALAZANA FIHAONAM-BAVAKA NY FETIM-PIRENENA MALAGASY – CELEBRATION DE LA FETE NATIONALE MALGACHE (vidéo) 29 juin, 2009
Posté par rahelys dans : A méditer,Culture,dailymotion vidéo,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Fêtes,Histoire - Commémorations,Hommages , ajouter un commentaire
Fihaonana nokarakarain’ny vondrom-pivavaka ao Cachan sy Arago – Mpiara mamaky baiboly
Tao amin’ny akany mpianatra tao Cachan no natao ny fitaona ny zoma 26 jiona 2009 ny 8 ora hariva ka hatramin’ny 12 ora alina !
Mirary fahafinaretana !
http://www.dailymotion.com/video/x9qo4t
Célébration d’intercession pour la Nation et le peuple malgaches.
Organisée par les cellules de prières de Cachan et Arago, ligue pour la lecture de la Bible.
La fête s’est déroulée au foyer universitaire des étudiants malgaches à Cachan de 20 h à 24 h !
BONNE VISION A TOUS !
MITOERA ETO ANILAKO ! STAND BY ME ! VAVAKA ANKATOKY NY 26 JIONA 2009 22 juin, 2009
Posté par rahelys dans : A méditer,Anniversaire,Culture,dailymotion vidéo,Decouverte,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Histoire - Commémorations,Mondialisation,musique,Prieres,Protection de Madagascar,Protection famille,Solidarité,Souveraineté nationale malgache,vie quotidienne , ajouter un commentaire
N »aiza n’aiza misy anao, n’inoninona mahazo anao sy ataonao dia mila namana foana ianao !
Marina izany amin’ny lafiny maha-olombelona nofo sy ra anao ary marina koa izany amin’ny lafiny maha-voahary anao koa mila ny Mpahary anao mitahy anao lalandava !
Amin’izao ankatoky ny 26 jiona 2009 izao dia manasa antsika hanandratra ny feo gara ka hiaraka amin’ireto mpanan-talenta ireto hitalao amin’Ilay Zanahary hoe :
« AZA MIALA AMINAY MALAGASY ANDRIANANAHARY O !
FA MILA ANAO MANDRAKARIVA IZAHAY !
Tsy amelako ianao Andriamanitra o,
Aza adino ny feon’ny fitarainako,
Ny fitaraina’ireo Malagasy mpiray rà amiko,
Aza adino Madagasikara, Tanindrazako;
Aza avela manjaka ao ny ratsy sy ny mpanao ratsy.
Ovay ny fo vato ho fo nofo ka
Hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny
Dia hiadana amin’ny taniny ny Malagasy
AMENA » - Olga HELISOA, 23 juin 2009
http://www.dailymotion.com/video/x89y76
MAGIQUE !
Le premier album enregistré Live dans la rue, selon le principe de la vidéo conférence.
Ces artistes ont enregistré un disque sans jamais se voir. Les casques servent à entendre les autres.
De vrais artistes.
Hello,
Thanks a lot for the nice song. I love a message in the world peace.
Bonjour, un grand merci pour ce magnifique montage vidéo. J’aime ce message d’union pour la paix dans le monde.
Ola,
Gracias para este agradable momento. Me gusta mucho el mensage de paz en nuestro mundo. – Olga HELISOA, 23 juin 2009
IN MEMORIAM – « LES CHEMINS DU SOUVENIR » – 6 JUIN 44 DEBARQUEMENT NORMANDIE 6 juin, 2009
Posté par rahelys dans : A méditer,Culture,dailymotion vidéo,Environnement,Histoire - Commémorations,Hommages,mode de vie,Mondialisation,musique,Solidarité , ajouter un commentaire
http://www.dailymotion.com/video/x9id0aCe diaporama révèle :
- l’impact de la mission OVERLORD – L’ASSAUT (débarquement) dont les traces sont encore présentes sur les côtes de la Normandie, UTAH BEACH, plus précisément à Arromanches
(restes de matériel de guerre, musées, bâtiments mémoriaux…)
- le rôle et l’importance de l’artillerie lourde.
Réalisation Olga HELISOA
Musique originale « Les chemins du ciel » de Stephane ROGER
Photos Olga HELISOA
© HELI’S MADAGASCAR E-Enseignement 2009
13 MAI… AOKA ISIKA TSY HIRAVIRAVY TANANA …NE PERDONS PAS ESPOIR ! 13 mai, 2009
Posté par rahelys dans : A méditer,dailymotion vidéo,Développement,Droits civiques,Droits homme,Histoire - Commémorations,Hommages,Identité malgache,Solidarité,Souveraineté nationale malgache,vie quotidienne , ajouter un commentaireRy Malagasy eran-tany,
Aoka samy hiato kely mba hisaina hanadiady tena avokoa.
Aoka samy hangataka amin’Ilay mpahary tongotra aman-tanàna
Fahendrena hahaizantsika hanohy ny lalàna mbola ho diavintsika
sy ny Firenena …
Ary
TSAROVY FA MANDALO ISIKA ETY AN-TANY
Tsy hisy hahazaka na rivotra aza rahefa lasan-ko Razana.
Ho tahiana anie i Madagasikara iray tsy mivaky,
Ho tahiana anie ny Malagasy rehetra eran-tany
ka tsy hanadino fa mpiray rà, mpiray tanindrazana. – Olga HELISOA, 13.05.2009