26,06,2010 Madagascar – Nozaraina ny mamy – On a partagé le gâteau des 50 ans ! 27 juin, 2010
Posté par rahelys dans : Anniversaire,Fêtes,Histoire - Commémorations,Hommages,Identité malgache,Malagasy: Teny,Mondialisation,Souveraineté nationale malgache , ajouter un commentaireFanapahana ny mamy : »Madagasikara ho an’i Kristy ary i Kristy ho an’i Madagasikara » !
Arahaba tratry ny Asaramanitra
Asara, asara,
Ho tratry ny arivo mitsingerina indray anie
Ka tsy hisara mianakavy isika !
Olga HELISOA, Paris, 27,06,2010
***
UNE PHOTO SOUVENIR
Partage du gâteau pour clore le cocktail organisé par le conseil des Eglises chrétiennes malgaches en France (FFMK – France) à la suite de la prière oecuménique d’actions de grâces à l’occasion du cinquantenaire de l’indépendance nationale malgache.
Cette réunion fraternelle s’est tenue en l’Eglise Notre Dame des Champs 91 bd Montparnasse Paris - Olga HELISOA, Paris, 27,06,2010
26 juin 2010 – Asaramanitra e ! 26 juin, 2010
Posté par rahelys dans : Anniversaire,Art - Zava-Kanto,Culture,dailymotion vidéo,Fêtes,Histoire - Commémorations,Hommages,Identité malgache,Malagasy: Teny,musique,Patrimoine de Madagascar,poèmes,Souveraineté nationale malgache,vie quotidienne , 2 commentairesMANONOFY AHO HOE…
Indray andro any, ao Madagasikara, mbola ho avy ny fotoana izay…
Tsy hitsiriritana intsony ny fotsy sy ny vahiny mikirakira vola,
Tsy hanaovana intsony « oui m’sé – oui m’sé » raha vao mibaiko ry zareo.
Hijoroan’ ny Malagasy amin’ny maha- « olona afaka » azy :
Tsy hanekeny intsony ny handrobana ny haren’i Madagasikara,
Tsy hamonoana intsony izay Mpitondra sahy manatanteraka izany
toy ny nahazo an’ It Ratsimandrava,
Koa ho afaka hanjaka amin’ny haren’ny taniny sy hiadana amin’izany izy,
Ary tsy hisy intsony ny fanjakazakana amin’ny fomba maro samy hafa.
***
Dia tsy ho faty noana intsony ny zanaky ny Malagasy.
Dia ho afaka hitsabo sy hampianatra ny zanany ny Malagasy…
Tsy hisy intsony ny kere fa hilalao rano mamy
ny ankizy miaraka amin’ny andian’ny omby maro eran’ny nosy…
SA DIA HO NOFY IHANY VE ?
RAMANATANTARA, Parisy, 05/02/06
Zanahary o tahio ny tanindrazanay
http://www.dailymotion.com/video/x2bky0
Zanahary o tahio ny tanindrazanay
Handroso lalandava
handry fahizay
Enga anie hanjaka ao ny saina mahay miray
Dia ho tany sambatra ‘lay Madagasikaranay…
26 juin 2010 – Arahaba mahatratry ny Asaramanitra ! 50 Ans: Accession à l’indépendance de Nation et Peuple malgaches 25 juin, 2010
Posté par rahelys dans : A méditer,Développement,Droits homme,Fêtes,Histoire - Commémorations,Hommages,Identité malgache,Mondialisation,Protection de Madagascar,Solidarité,Souveraineté nationale malgache , 1 commentaireArahaba e !
Aoka ny zava-nisy nodiavina rehetra hatrizay ho anatra koa
« mba hahay hamindra isika ho Firenena matotra mandray andraikitra MIARO ny soa sy ny TOMBON-TSOA ho an’ny Malagasy rehetra eto an-toerana sy eran-tany » ka ho tena MIZAKA sy MAHALEOTENA isika. - Olga HELISOA, Parisy, 25,06,2010
A lire SUITE
What a price – Fats Domino
« Fahafahana » ny fitenenana…Ny zava-misy ! « Dire les réalités, c’ est Liberté » ! 4 juin, 2010
Posté par rahelys dans : A méditer,Coup de coeur,Développement,Droits civiques,Droits homme,Identité malgache,Mada au quotidien,mode de vie,Mondialisation,poèmes,Protection de Madagascar,Protection famille,Solidarité,Souveraineté nationale malgache,vie quotidienne , ajouter un commentaireRaha ny fitenenana
Ny zava-misy no
atao hoe « Manopa »,
atao hoe « Manozona »,
Fandrahonana avokoa izany,
« Fahafahana » ny fitenenana !
Samia mandray ny andrikiny avy
Tsy ny fitadiavana soketa olona
Hiloloha ny zava-natao akory
No hanafina ny vokatr’ireny.
Samia mandray ny andrikiny avy ;
Ao ny entina, ao ny mitondra.
Samia mandray ny andrikiny avy ;
Aza maika manasoketa olona !
Samia mandray ny andrikiny avy
Aza maika manome tsiny ny entina !
Raha soa ny nafafy,
Tsy misy hatahorana !
Raha soa ny nafafy,
Aza mandrahona !
Raha soa ny nafafy,
Aza manasoketa !
« Fahafahana » ny fitenenana !
RAMANATANTARA, Parisy, 03,06,2010
JE SEME, JEM’EN VAIS – I MUVRINI
Fetin’ny Reny 2010 : Miarahaba ny reny eran-tany ! Joyeuse fête des mères ! Happy mother’s day ! 28 mai, 2010
Posté par rahelys dans : A méditer,Amour,Anniversaire,Culture,dailymotion vidéo,Enfance - Jeunesse,Femme,Fêtes,Hommages,Identité malgache,mode de vie,Mondialisation,musique,ohabolana - proverbe,Patrimoine de Madagascar,Protection famille,vie quotidienne , 1 commentaire« NENY, mama, endry, mom, ma, maman… » dia teny fohy entina iantsona ilay nahitana masoandro.
Alahady 30 may 2010 dia natokana ankalazana ny reny kanefa « mitoetra isan’andro ny Fitiavan’i Neny » koa isan’andro izany ny fetin’ny reny.
Tsy ireo niteraka ihany no antsoina koa hoe « neny… » fa izay vehivavy mahafohy ny aina sy manome ny Fitiavany tanteraka ho an’ireo ankizy taizany koa.
« Miarahaba ny vehivavy rehetra eran-tany ! » – Olga HELISOA
« NENY, mama, endry, mom, ma, maman… » sont autant de mots pour appeler celle qui nous a enfantés !
Dimanche, 30 mai 2010 est un jour dédié à Neny ou maman ! Mais, tous les jours c’est la « fête des mères »car l’Amour d’une mère est pour tous les jours.
Une « maman » n’est pas seulement celle qui a enfanté mais aussi toute celle qui se dévoue corps et âme et donne son Amour aux enfants qu’elle élève.
« Bonne fête à toutes les femmes ! » - Olga HELISOA
« HIRAN’I NENY » de DADAH par BODO
« CHANSON POUR MAMAN » de DADAH par BODO
http://www.dailymotion.com/video/x5cxms
Avia Neny tiako eto ampofoko
Eto antsandriko ankavia mba ho akaiky ny foko
Etsy,etsy hoesoriko ireo volofotsy
Hitantarako angano ianao, sady haraiko rotsirotsy
Avia Neny tiako eto ampofoko
Eto antsandriko ankavia mba ho akaiky ny foko
Etsy,etsy hoesoriko ireo volofotsy
Hitantarako angano ianao, sady haraiko rotsirotsy
Ny adidy tsy efanao mbola tianao hotoizana
Tsy mahatsiaro hasasarana tsy mahalala vizana
Mihisakisaka mila hotorovana
Aok’izay fa ianao ilay niaro indray no mba mila fiarovana
Avia Neny tiako fa aza miahiahy
Ny ataoko anie, sombiny ny vitanao hatrizay
Etsy, hotatanako fa ela lanaka
Ny aina no mateza fa hifampitaiza isika mianaka
Ny adidy tsy efanao mbola tianao hotoizana
Tsy mahatsiaro hasasarana tsy mahalala vizana
Mihisakisaka mila hotorovana
Aok’izay fa ianao ilay niaro indray no mba mila fiarovana.
« NENY » de Tarika RAMILISON BESIGARA
« HAJAO NY RENY FA IZY NO NAHITANA MASOANDRO »
Respecte ta mère car c’est grâce à elle que tu vois le jour – Traduction, Olga HELISOA
http://www.dailymotion.com/video/x983nq
« NENY » de TAFITA
« MAMELA ITY ZANAKAO AMIN’ITY FANIRATSIRANA, TSY MODELY…
TSY ATAKALO, TSY AMIDY VOLA I NENY ! »
http://www.dailymotion.com/video/x5ah77
Ho fahatsiarovana an’i Mama, izay lasana 3 taona izay Georgette RANJAMINA 1932-2007
Velona ato am-ponay zanakao ianao koa MANDRIA AM-PIADANANA ry mama - Olga HELISOA
A ma mère qui nous a quitté voilà 3 ans !
Elle laisse un grand vide dans notre vie
Elle est demeure vivante dans notre cœur à jamais
Repose en Paix Maman bien aimée ! – Olga HELISOA
I do love you
You’re the best ever Mom !
I miss you a lot
Rest in peace
Happy Mother’s Day ma
Love forever- Olga HELISOA
SIGARA MANTOLA – KORAGNO MANGINGINA
HO FAHATSIAROVANA NY RENIKO
http://www.dailymotion.com/video/x2cm3r
Ho fahatsiarovana an’ny reniko izay tia tokoa ity hira ity : Georgette RANJAMINA 1932-2007 – Olga HELISOA
En souvenir de ma mère qui aimait tant cette chanson : Georgette RANJAMINA 1932-2007 – Olga HELISOA
Etudes Guitare « BA GASY » – Mianatra Gitara tendry BA GASY 19 mai, 2010
Posté par rahelys dans : Anniversaire,Art - Zava-Kanto,Culture,dailymotion vidéo,Decouverte,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Identité malgache,Mondialisation,musique,Net et famille,Patrimoine de Madagascar,vie quotidienne , ajouter un commentaireCela fait maintenant 2 ans que notre petit siteweb
« LES GRANDS FRERES TRANSMETTENT LEUR SAVOIR »
http://guitare-malgache-ba-gasy-etudes.webs.com
faisant partie des instruments de HELI’S MADAGASCAR E-Enseignement et dédié à ceux qui veulent s’initier à la méthode de GUITARE MALGACHE appelée « BA GASY » est mis en ligne !
Vous êtes invités à venir y surfer et à le faire connaître à vos proches et connaissances.
Merci aussi pour vos messages dans le livre d’or (Guestbook). – Olga HELISOA, 19,05,2010
http://www.dailymotion.com/video/x6ersm
MAMASERA RN 35 de Mahaleo interprété par Jean Michel
Efa 2 taona izao no nivoaka anterinety ny vohikala natokanay ato amin’i HELI’S MADAGASCAR E-Enseignement ho an’ireo izay liana hianatra ny fomba fitendry gitara « BA GASY » !
« Ireo zoky mampita fahaizana »
http://guitare-malgache-ba-gasy-etudes.webs.com
Manasa antsika hitsidika sy hampahafantatra io vohikala io amin’ireo tapaka sy namana.
Misaotra antsika mametraka hafatra ao amin’ny « boky volamena » (Guestbook) fa mampahery izany. – Olga HELISOA, 19,05,2010
« Zay mihitsy » de CCOC – C’EST BIEN VRAI ! (Y EN A ASSEZ ! Wake-up, Stand-up !) 1 mai, 2010
Posté par rahelys dans : A méditer,Art - Zava-Kanto,Culture,Développement,Identité malgache,Mondialisation,musique,Patrimoine de Madagascar,Protection de Madagascar,Protection famille,Solidarité,Souveraineté nationale malgache,vie quotidienne , ajouter un commentaireEn cette journée du 01 mai , fête du travail,
– une petite pensée pour ceux qui n’en ont plus !
- une petite pensée pour ceux dont le travail est menacé par l’impitoyable règne du profit monétaire au sein de la mondialisation.
- une pensée pour Madagascar et le peuple malgache
Telle est notre part de solidarité et de soutien au peuple malgache et à la Nation de Madagascar indépendante, indivisible. Une pensée particulière pour eux qui sont appauvris car leurs droits légitimes ont toujours été foulés aux pieds de toutes les manières. – Olga HELISOA, Paris, 01/05/2010
*****
« Zay mihitsy » de CCOC (Collectif des citoyens et des organisations citoyennes)
Composition de Samoëla et Jaovola
Interprétation du collectif d’artistes Malgaches: Jaojoby, Solofo José, Bakomanga, Batata, Princio, Raboussa, Rolf, Mikea, Baba, Magneva, Bim, Gasta, Elsie, Faniah, Rabaza, Gothlieb, Françis Turbo
Contribution au soutien à la production-réalisation de »’Zay mihitsy »
- au CCP n° 5031501 D, Centre 020, [mention "ZAY MIHITSY"]
- soit par chèque libellé « Consortium de solidarité avec Madagascar » [mention "ZAY MIHITSY" au dos]
adressé à CdSM 21-ter rue Voltaire 75011 PARIS France
Contact: consortium_madagascar@yahoo.fr
Paroles
‘ZAY MIHITSY
(Malagasy tsy maintsy mitsangana)
(Tsy teren’ny avy etsy sy avy ery)
(Fa manan-jo hijoro amin’ny heviny)
Nalainy taminao ny fananana
Very ny harem-pirenena
Namidiny ohatry ny anana
Na hazo, na vato, na volamena…
Nofoanany ny fanampiana
Ny orinasa mikatona jiaby
Ny basy sy ny miaramila
No tiany hananganana ho avy !
Reraka mafy ilay gasy
Noana tsy manan-ko hanina
Mitombo isan’andro ny maty
Anaovan’ireo mody fanina
Ireo jamban’ny vola amin’izany
Mikafiry misisika eny ihany
Tsy hitan’ny masony akory
Ilay vahoaka mandady amin’ny tany !
Refrain
Avoahay aminay ny tantara eee !
Tsy anampiana ary tsy analana
Ho hitan’ny dimby sy fara
Hoe iza no tena adala!
Aza afenina fa aleo hazava eee!
Mahantra izahay fa tsy zaza
Nareo no manao mody miady
Dia ny gasy jiaby voasazy
(Fiombonana tafita foana)
(Malagasy mitraka no tanjona)
(Malagasy mifehy Firenena)
(Malagasy zary vatolampy)
(Malagasy tsy mikoso maso)
Ilay valam-parihantsika,
Mbola isany moa Mozambika ?
Fa na Frantsay na Amerikana,
Na kely maso na Afrikana
mmm… Biznesy planina ?
Ilay economiantsika (ououay…)
Voan’ ny angatra sa farasisa ? (toa efa fay)
Efa naolan’ny mahitahita (tena mampikolay)
Fadiranovana toa osaosa
Tsy misy tombony fa bokan-trosa
Ary ireto mpanao politika
Miandry baiko sy tia gidragidra
Efa hatrizay no mifanao menace
Tia kafoiazy sy feona basy
Tia manangan-tsandry !
Ilay fahendren’ny razantsika
Nivadika lohan’alika !
Lohan’alika dia nidiran-doza,
Lohan’alika nandoro ny Rova,
Lohan’alika dia lasa mpandroba!
Refrain
Avoahay ary aloha ny tantara (avoahay!)
Tsy anampiana ary tsy analana
Ho hitan’ny dimby sy fara
Hoe iza no tena adala !
Aza afenina fa aleo hazava
Mahantra izahay fa tsy zaza
Nareo no manao bodongerona
Dia ny Gasy jiaby voatrerona
Ka aza mifanorisory !
Mpiara-miasa tsy atao atsangory
Miara-mitady, tsy asiana ankilentika
Partenaires tsy mifampitsentsitra :
Miara-mahandro dia miara-mitetika
Avia raha hiketrika !
Ary ity Gasy mangina ?
Moana sa nampatoriana ?
Sady nampahoriana
Vahoaka badenina tsisy mahalala,
Nomena bonbon dia natory tsara
Tsy mahay ny tantara…
CCOC-Artistes: « ‘ZAY MIHITSY »
23 janvier 2010, Ankerana, Madagasikara
*****
Résumé
Conscientisation – Madagascar face à la mondialisation
Mifoaza ! Mitsangana!
« Zay mihitsy » revendique l’autonomie de Madagascar, dénonce les ingérences. Mise à plat brève mais explicite de la situation actuelle.
C’EST BIEN VRAI ! (Y EN A ASSEZ !)
Nous sommes pauvres mais pas des « enfants » (naïfs) !
Vous faites du forcing … dans nos affaires internes.
Et c’est le peuple malgache qui en pâtit !
C’est bien vrai !
… Regardons vers l’avenir;
Vers le futur des jeunes générations.
C’est bien vrai !
… Allez : au réveil, debout !…
Wake-up ! Stand-up ! – Extrait « Zay mihitsy » Traduction Olga HELISOA, Paris, 01/05/2010
SOLON’ANARANA – PSEUDO(NYME) 31 mars, 2010
Posté par rahelys dans : A lire,A méditer,Coup de coeur,Culture,Développement,Droits homme,handicap,Identité malgache,mode de vie,Mondialisation,Net et dangers,Protection de Madagascar,Santé publique,Solidarité,Souveraineté nationale malgache,vie quotidienne , ajouter un commentaireMitondra solon’anarana :
Vao sahy mampita teny,
Teny ratsy mibahana,
Teny ratsy manjaka.
Teny ratsy tompoina.
Teny feno ompa,
Teny tsy manaja,
Sahy miantsa ady,
Mitaona amin’ny ratsy.
Mitondra solon’anarana :
Tsy misy lehibe,
Tsy misy kely,
Tsy misy Hasina,
Tsy misy Haja,
Tsy misy Fefy !
Mitondra solon’anarana :
Kabosy nahazo toky,
Kabosy toa mahery fo,
Kabosy toa misaina,
Kabosy toa mamiratra,
Kabosy toa filamatra,
Kabosy toa zavatra,
Kabosy toa hanitra,
Kabosy toa fanilo,
Kabosy toa hiasa…
O ry Malagasy,
Aiza ny hajanao ?
Aiza ny hasina
Maha-olona anao ?
Solon’anarana ve ?
Dia sahy sehatra ianao ?
Solon’anarana ve ?
Dia sahy mihoa-pefy ?
Solon’anarana ve ?
Dia mba « olona » ?
Miheritrereta !
Ny olona : «manaja,
Mitady ny soa,
Miala amin’ny ady,
Mandositra ny ratsy,
Mitady fitiavana,
Mitady mitia namana.»
Ampy ny haratsiana
Hilomanosantsika,
Tadiavo ny teny mamy,
Tsy mihatsara ivelantsihy.
Tadiavo ny teny madio
Vokatry ny fo madio,
Vokatry ny saina madio,
Tsy misy raorao,
Alaviro ny tabataba,
Alaviro ny fo ratsy.
Fanariam-pako ve ny fonao ?
Fanariam-pako ve ny sainao ?
Fanariam-pako ve ny vavanao ?
Fanariam-pako ve ny taninao ?
Fanariam-pako ve ny aminao rehetra ?
Aza manao kabosy misalobon-tsolon’anarana.
Olga HELISOA, RAMANATANTARA, Parisy, 30, 03,2010
Fahatsiarovana ireo zanak’i Madagasikara namohy aina 1947 29 mars, 2010
Posté par rahelys dans : Anniversaire,Colonisation,Développement,Droits civiques,Droits homme,Environnement,Histoire - Commémorations,Hommages,Identité malgache,Mondialisation,Patrimoine de Madagascar,poèmes,Solidarité,Souveraineté nationale malgache , ajouter un commentaireTSINGERINTAONA HO FAHATSIAROVANA
IREO ZANAK’I MADAGASIKARA
NAMOHY AINA TAMIN’NY TAONA 1947
MADAGASIKARA 29 MARSA 1947 – 2010
MBA HIJORONAO OLOMBELONA
Aondreho ny loha, fo sy fanahy
Fantaro ary tsarovy fa maro
Namohy aina, havana, harena,
Noho ny fijorony Malagasy
Olon’afaka mpizaka tena.
Aondreho ny loha, fo sy fanahy
Tsarovy, ianaro ny mahery fo
Aza adino fa olon’afaka
Aza adino, maka andraikitra
Aza adino fa olombelona ianao.
Aza adino ireo namohy aina
Mba hijoronao olombelona
Fa tsy mpanambaka manao
Amboa dia misary zanakondry
Handrapaka mpiray rà aminao !
Aza adino ireo namohy aina
Mba hijoronao olombelona
Olombelona fa tsy saripotaka,
Mpanambaka, mangalatra,
Mivarotra ny tanindrazana !
Aza adino ireo namohy aina
Mba hijoronao olombelona
Mpiaro kely, mitsinjo mahantra,
Mpiaro ny Malagasy rehetra,
Mpiaro tanin’i Madagasikara !
RAMANATANTARA, Parisy, 29,03,2010
MADAGASCAR 29 mars 1947 – 2010 Le passé nous rattrape toujours 25 mars, 2010
Posté par rahelys dans : A méditer,Anniversaire,Colonisation,Coup de coeur,Développement,Droits civiques,Droits homme,Histoire - Commémorations,Identité malgache,Mondialisation,Patrimoine de Madagascar,Solidarité,Souveraineté nationale malgache , ajouter un commentaireHO TSAROVAN’IREO FARA AMAN-DIMBY !
IN MEMORIAM !
« POUR QUE L’ON SE SOUVIENNE »
Au sein de notre monde globalisé actuel, l’anniversaire de MARS 1947 est plus que jamais
d’actualité car « A FORCE D’ENTERRER LE PASSE, C’EST LE PASSE QUI NOUS RATTRAPE »…
SUITE