navigation

26,06,2010 Madagascar – Nozaraina ny mamy – On a partagé le gâteau des 50 ans ! 27 juin, 2010

Posté par rahelys dans : Anniversaire,Fêtes,Histoire - Commémorations,Hommages,Identité malgache,Malagasy: Teny,Mondialisation,Souveraineté nationale malgache , ajouter un commentaire

Hebergement d'images

Fanapahana ny mamy : »Madagasikara ho an’i Kristy ary i Kristy ho an’i Madagasikara » !

Arahaba tratry ny Asaramanitra

Asara, asara,

Ho tratry ny arivo mitsingerina indray anie 

Ka tsy hisara mianakavy isika !

Olga HELISOA, Paris, 27,06,2010
***

 UNE PHOTO SOUVENIR
Partage du gâteau pour clore le cocktail organisé par le conseil des Eglises chrétiennes malgaches en France (FFMK – France) à la suite de la prière oecuménique d’actions de grâces à l’occasion du cinquantenaire de l’indépendance nationale malgache. 

Cette réunion fraternelle s’est tenue en l’Eglise Notre Dame des Champs 91 bd Montparnasse Paris - Olga HELISOA, Paris, 27,06,2010

26 juin 2010 – Asaramanitra e ! 26 juin, 2010

Posté par rahelys dans : Anniversaire,Art - Zava-Kanto,Culture,dailymotion vidéo,Fêtes,Histoire - Commémorations,Hommages,Identité malgache,Malagasy: Teny,musique,Patrimoine de Madagascar,poèmes,Souveraineté nationale malgache,vie quotidienne , 2 commentaires

MANONOFY AHO HOE…

Indray andro any, ao Madagasikara, mbola ho avy ny fotoana izay…

Tsy hitsiriritana intsony ny fotsy sy ny vahiny mikirakira vola,

Tsy hanaovana intsony « oui m’sé – oui m’sé » raha vao mibaiko ry zareo.

Hijoroan’ ny Malagasy amin’ny maha- « olona afaka » azy :

Tsy hanekeny intsony ny handrobana ny haren’i Madagasikara,

Tsy hamonoana intsony izay Mpitondra sahy manatanteraka izany

toy ny nahazo an’ It Ratsimandrava,

Koa ho afaka hanjaka amin’ny haren’ny taniny sy hiadana amin’izany izy,

Ary tsy hisy intsony ny fanjakazakana amin’ny fomba maro samy hafa.

***
Dia tsy ho faty noana intsony ny zanaky ny Malagasy.

Dia ho afaka hitsabo sy hampianatra ny zanany ny Malagasy…

Tsy hisy intsony ny kere fa hilalao rano mamy

ny ankizy miaraka amin’ny andian’ny omby maro eran’ny nosy…

SA DIA HO NOFY IHANY VE ?

RAMANATANTARA, Parisy, 05/02/06

Zanahary o tahio ny tanindrazanay
http://www.dailymotion.com/video/x2bky0

Zanahary o tahio ny tanindrazanay
Handroso lalandava
handry fahizay
Enga anie hanjaka ao ny saina mahay miray
Dia ho tany sambatra ‘lay Madagasikaranay

RABARISON Gilbert dit « DADABARY » Grand artiste malgache nous a quittés – Lasana RABARISON Gilbert i « Dadabary » 28 mai, 2009

Posté par rahelys dans : Culture,Hommages,Identité malgache,Malagasy: Teny,Patrimoine de Madagascar,poèmes , ajouter un commentaire

RABARISON Gilbert dit « Dadabary » est un mpikabary (orateur), chanteur, poète, comédien, écrivain : nouvelles pour le théâtre. – Il repose au cimetière de Thiais – France depuis le 27 mai 2009

– Reposez en paix Monsieur l’artiste ! Que la terre vous soit légère.

Nous présentons nos condoléances à toute la famille.

Hebergeur d'images

Lasana RABARISON Gilbert : Dadabary Mpanan-talenta malagasy – Mpikabary,  mpamoron-kira, mpihira, poety, mpilalao tantara an-tsehatra, mpamorona rindran-kira.

Sitrak’Andriamanitra ny niantso ny mpanompony dia It. RABARISON Gilbert izay fantatra amin’ny anarana hoe : DADABARY ka nalevina  ny alarobia 27 mey 2009 tao Thiais – Frantsa.

Very Olomanga ny firenena malagasy sy izao tontolo izao nametrahan’ny Mpahary antsika amin’ny fahalasanan’i Dadabary.

- Filohan’ny sampana Vokovokomanga tao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana izy Taty andafin-dranomasina izy nanomboka tamin’ny taona 1982. 

Fatra-pandala ny soatoavina malagasy i Dadabary ary niezaka nikolokolo sy nampahafantatra ny vakoka sy ny hanitra nentin-drazana:

– Mpikabary

- mpamoron-kira, mpihira- poety

- mpilalao tantara an-tsehatra niaraka tamin’ny tropy Jeannette,  Ratianarivo,  Rakoto de Montplaisir izy. 

Teo amin’ny faha-45 taonany  no nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana famoronana rindran-kira tao Madagasikara.

Ny nofony napetraka any Thiais.

Rahefa avy nanaovana fisaorana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tamin’ny fotoam-pivavahana tao amin’ny Funérarium de Clichy , 92110 Clichy  ny alarobia 27 mey 2009 .

« Isika dia sambo mitety rano… » – Firaisankina, DADABARY

Miara miondrika maneho ny fiarahana ory amin’ny fianakaviana rehetra izahay. Mandria am-piadanana Tompokolahy !

AMPETRAKO EO AM-PELATANANAO RY RAY ! LE PEUPLE MALGACHE ET MADAGASCAR ENTRE TES MAINS, O ETERNEL ! 22 avril, 2009

Posté par rahelys dans : dailymotion vidéo,Malagasy: Teny,Mondialisation,Prieres,Protection de Madagascar,Protection famille,Souveraineté nationale malgache,vie quotidienne , ajouter un commentaire

AMPETRAKO EO AM-PELATANANAO RY RAY !
NY MALAGASY ERAN-TANY
I MADAGASIKARA TANIKO

http://www.dailymotion.com/video/x5cbth

Pière de RAJERY  – VAVAKA RAJERY (PRINCE DE LA VALIHA)

TSY AMELAKO IANAO ANDRIAMANITRA O ! JE M’ACCROCHE A TOI, O ETERNEL ! 21 avril, 2009

Posté par rahelys dans : A méditer,croyances,Culture,Droits civiques,Droits homme,Identité malgache,Malagasy: Teny,Prieres,Protection de Madagascar,Solidarité,Souveraineté nationale malgache,vie quotidienne , ajouter un commentaire

SAUVE MON PEUPLE, SAUVE MADAGASCAR !

ANDRIAMANITRA O , TSY AMELAKO IANAO
RAHA TSY OMENAO FITSAHARANA NY FIRENEKO

Mitalaho aminao aho
Andriamanitra Mpahary,
Tompon’ny Hery rehetra
Mahita ny fijaliana
Zioga entin’ny Malagasy,
Maheno ny fitarainana,
Ny tomany vokatry ny setra
Mianjady aminy, Fireneko.

Mamindrà fo aminay,
Tompo masina indrindra o !
Aza ny haratsianay no jerena
Fa ny fanadiovan’ny janakao
Anay sy ny fitsanganany
Naharesy ny fahotana,
Fahafatesana ho anay.

Omeo fahendrena izahay Tompo o !
Omeo fitiavana, fanajana anao
Amin’ny alalàn’ny fifanompoana,
Fifanajana sy fifandeferana
Izay tsy misy eo aminay
Malagasy eran-tany.

Tsy amelako ianao Tompo o !
Ianao tompon’ny Soa,
Tompon’ny Fahefana
Tompon’ny Mendrika
Mandrakizay no ametrahako
Ny fanantenako, ny tokiko,
Ny fanahy, fo, saina, ainay
Malagasy eran-tany.

Tsy amelako ianao Tompo o !
Tsy mbola namoy anay ianao,
Koa vonjeo izahay tompo o !
Tsy amelako ianao
Raha tsy mahazo fitsaharana
Ny fireneko.

Tsy amelako ianao Tompo o
Raha tsy miova izahay
Malagasy eran-tany.
Tsy amelako ianao
Raha tsy mahazo fiadanana
Am-po, an-tsaina, am-batana
Ny Malagasy :
Ho afaka i Madagasikara.
Vonjeo ny Malagasy,
Vonjeo i Madagasikara,
Ray mpahary, masina,
Miady ho an’ ny mahantra o.

Misaotra Ray masina indrindra o.
Amena

RAMANATANTARA, Paris, 21.04.2009

MANDA MIARO NY VAVAKA koa MANASA ANAO HITALAO HIVAVAKA HO AN’NY MALAGASY SY I MADAGASIKARA

Andriamanitra masina, Andriamanitry ny Fahamarinana sy ny Fitivana izany !

Koa arao fiovana sy asa ny vavaka atao.

 

http://www.dailymotion.com/video/x3x4s5

HE JEHOVAH NO MPIANDRY AHY
Tsy mba misy atahorako
Raha izy no mitondra ahy
Ahi-maitso no handriako
Eny fa ny tany karankaina
Dia hody saha lonaka
Ary ao amoron-dranon’aina
Hialan’ny foko sasatra.

He Jehovah no mpitarika ahy
Amin-dalam-pahamarinana
Koa tsy ho kivy ny fanahy
Amin’ny alo-pahafatesana
Hianao ry Tokiko irery
No hiara-dia amiko
Ka ny tsorakazonao mahery
No hanafaka ny tahotro.

Amelaranao latabatra aho
Eo imasom-pahavaloko
Notoloranao kapoaka aho
ka mahery sady afa-po
Eny indrafo tsy hita lany
No hiaraka amiko izao
Mandra-pahatongako ho any
Hanatrehako ny tavanao.

RAKOTOZANANY STANISLAS: UN GRAND AUTEUR COMPOSITEUR MALGACHE 18 avril, 2009

Posté par rahelys dans : Art - Zava-Kanto,Culture,Hommages,Identité malgache,Malagasy: Teny,Mondialisation,musique,ohabolana - proverbe,Patrimoine de Madagascar,poèmes,Solidarité,Souveraineté nationale malgache,vie quotidienne , ajouter un commentaire

http://www.dailymotion.com/video/x7zad6

RAKOTOZANANY STANISLAS, ce grand artiste malgache a   fait connaître un groupe artistique malgache SAKELIDALANA qui a chanté ses œuvres dont:

- Ny Lanitra

- Fitia manalasala

- Vetson’ny manina

- Nandalo teto ve ?

- Taratasin-drazandry

- Voahangy…

http://www.dailymotion.com/video/x8fl8u

« Mahantra ny Malagasy ? » sa AMPAHANTRANA ? 13 décembre, 2008

Posté par rahelys dans : A méditer,Développement,Droits homme,Malagasy: Teny,Patrimoine de Madagascar,Protection de Madagascar,Souveraineté nationale malgache,vie quotidienne , ajouter un commentaire

MAHANTRA?
- Eny , satria ny mpiandraikitra tokony hiaro ny harena sy ny tombon-tsoan’ny Malagasy
TSY MANAO izany fa miaro ny hameno ny paosin’ny vahiny sns…
- Eny satria LASA AVOKOA NY HARENA (tany mahavokatra, vato soa maro karazana, fasika mainty, uranium, cobalt, rano fisotro, hazo…)!
- Eny satria manjaka ny adim-piainana rehetra : Hanohanana, haretina sy fahafatesana
- Eny satria ny HARATSIAM-PANAHY sy HARATSIAN-TOETRA no fototr’izany rehetra izany koa ireo tokony hitsangana hiharo miandany MANDROBA !

MAHANTRA ?

- ENY MAHANTRA IZAHAY MALAGASY

- Izahay maloto tsy manana na hividianana savony aza!
- Izahay tsy mihinana hafa-tsy loviam-bary na mangahazo iray isan’andro rahefa misy ny vola !
- Izahay mihidy vazana mahita anareo mirimorimo amin’ny fiara-be mamirapiratra eo anoloanay !
- Izahay maro anaka ferena, mikoaka, marary maso amin’ny setrokiny fiaranareo
- Izahay variana mijery anareo manambola hividianan-javatra ao amin’itony magazay be (shoprite, leader price…sns…)
- Izahay voatery miakatra aty an-tanàn-dehibe fa ny taninay lasan’ny mpanana

Kanefa raha ny rariny sy ny hitsiny dia tokony tsy hahantra IZAHAY MALAGASY !

- Satria MITAHIRY HARENA tsy hita fetra ny tanin’i Gasikara
- Satria FANTATRAY MALAGASY FA ROBAINA ALAINA AMINAY NY HARENANAY !

TOMPON-TRANO MAHANTRA MIPETRAKA AMBONY VOLAMENA IZAHAY ! Mahantra satria NOMENA NY VAHINY an-kafetsena ny volamenanay !

Hafatra
Ampahantrana hono izy hoe; fa tsy mahantra velively !
Koa izy norobaina hono tantiny eny ihany fa ny hirifirin’ny hoavy
izay mbola any an-kibon’ny omby no tsy ho tantinareo
mampahantra tany sy firenena e !
Sao adinonareo fa boribory ny tany o !

Olga HELISOA

http://www.dailymotion.com/video/k7GPSWghbEak5acshv

GRG – Georgette RANIVOARIVELO Gabrielle : 1932-2008 Madagascar – HOMMAGES (Suite 2) 28 septembre, 2008

Posté par rahelys dans : A lire,Culture,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Femme,Hommages,Identité malgache,Malagasy: Teny,poèmes , 1 commentaire

Hebergeur d'images

Miarahaba,

Miara-miondrika amin’ny Fianakavian’i GRG sy fianakaviamben’ny Haisoratra malagasy amin’izao vanin-taona mafy tsy maintsy diavintsika ety ambany masoandro izao…

Nandao antsika saingy namela ny sahan’ny literatiora malagasy feno hanitra tsy resy resen’ny fahafatesana.

 

Mihelina ihany Ra-olombelona
Mifandimbidimby sy aelin’ny rivotra
Fa ny asa navelany ho antsain-ko velona
Ny soa hitsingerina, ny ratsy ho ringitra

Ny soa tavela sy ny firoborobony
Tsy hitsahatra hatreo ny fisandratany avo
Toa tononkalo amin’ny firedoredony
Tsy mety maty sy tsy mety lavo

Ny mamela mamy, maty miadana
E ! Ny andro rehetra dia fandalovana
Fa tsy ho lefy hanitra ilay fisiana
Ho velona an-koatra, sy ho tsara levenana.

Ny Kanto.

FABIEN GASTON RAZAKANDRAINIBE, 27.09.2008

Locations of visitors to this page

Hery RASOLO: Producteur, cinéaste documentaire – Madagascar HOMMAGES (Suite) 26 septembre, 2008

Posté par rahelys dans : A lire,Cinéma malgache,Culture,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Hommages,Identité malgache,Malagasy: Teny,poèmes,Solidarité , ajouter un commentaire

LASA i Hery RASOLO
Hebergeur d'images

Miarahaba e !

Manjombona tokoa ny lanitry ny literatiora sy ny kolotsaina manoloana ny voina misesy tato ho ato. Indro alefako ity Fehezam-boninkazo ity ho fiombonam-po amam-panahy noho ny fahalasanan’Itompokolahy Hery RASOLO.
Mirary fiononana feno sy faherezana ho an’ny Fianakaviana manontolo aho sady mitondra amim-bavaka.

Ramatoa RAHARIJAONA Marie-Angèle, Mpitandrina

 

VELOMA

(Ho fiombonam-po amam-panahy noho ny

fahalasanan’Itompokolahy Hery RASOLO)

 

Gina, sina ny rehetra raha nandre fa lasa ianao,

Lasa nialoha làlana. Hatramin’ny lanitra jerena,

Lanitra ory, malahelo. Mitroatra avy ao anaty ao

Ny fahatsiarovana rehetra. Tsiaro tsy hay fefena.

 

Gina, sina ny rehetra, gina sina anefa ho aiza ?

Lalàm-piainana izao, lalà-mifehy ny manana aina.

Malahelo ny mpianakavy sy ny namana, sakaiza

Nefa tsy afaka manoatra. Lasa ilay nandrandraina.

 

Gina, sina ny rehetra, vata-mangatsiaka sisa,

Nindaosin-dRafahafatesana Ilay Zanak’i Gasikara

Kintana iray niavaka tamin’ireo kintan-tsy ho voaisa,

Nitondra  anjara biriky ho voarakitra an-tantara.

 

Gina, sina ny rehetra, manoloana izato lahatra.

Gina, sina ny rehetra nandre ny fahalasananao.

Rehefa tonga izany ora tsy misy afaka mamahatra

Koa mandria am-piadanana, eny veloma no atao.

 

Ramatoa RAHARIJAONA Marie-Angèle, Mpitandrina
Frantsa 25 septambra 2008

GRG – Georgette RANIVOARIVELO Gabrielle : 1932-2008 Madagascar – HOMMAGES (Suite) 23 septembre, 2008

Posté par rahelys dans : A lire,Culture,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Femme,Hommages,Identité malgache,Malagasy: Teny,poèmes,Solidarité , 1 commentaire

Hebergeur d'images

Georgette Ranivoarivelo Gabrielle – GRG (1932-2008)
Poety, mpanoratra, mpikabary, mpitoriteny, manandratra ny teny malagasy

*****
« On a surtout connu GRG à travers une émission de la Radio Madagascar,  « Feom-baliha mena masoandro » qu’elle a réalisée avec Ener Lalandy.

Elle a déjà publié plusieurs livres et a écrit dans des journaux, « Sakaizan’ny tanora »,  « Malagasy ara-drafitra », « Fisainana GRG tononkalo » et  « Fisainana GRG tantara sy sombin-tantara » …-  Annick Sedson, Les nouvelles, 22.09.2008 »

*****

Miarahaba,

Malahelo ny fo amam-panahy amin’izao fandaozan’Itompokovavy Georgette RANIVOARIVELO Gabrielle antsika izao.Mirary faherezana sy fiononana feno ho an’ny Fianakaviana manontolo aho sady mitondra amim-bavaka.

Indro misy tononkalo nosoratako ho fiombonam-po amam-panahy amin’izao fisarahana an-tany izao.  Fehezam-boninkazo atolotro an’i G. R. G.

Ramatoa RAHARIJAONA Marie-Angèle, Mpitandrina.

 

TONONKALO – POEME

BANGA ANAO

(Georgette RANIVOARIVELO Gabrielle  1932-2008)

 

« Maty i G. R. G. »,
Hoy ny feo re.
« Maty i G. R. G. »,
« Ramatoa Georgette RANIVOARIVELO Gabrielle e ! »

Mova tsy ny feon-dakolosy ny fandrenesana izany
Dia feon-dakolosy izay manaitra avy hatrany
Mampahatsiahy fa ny fiainana an-tany
Tsy mateza, eny mielina ihany
Mampitomany.

Mibosesika ao anaty mifanao tsy omby aloha
Ny momba azy rehetra, malahelo ery ny fo !
Vehivavy malagasy tena niavaka tokoa
Mpanoratra hafa kely koa
Mpikabary nahaliana
Nahay nampikoriana
Ny teny aok’izany
Ny Feom-baliha
Sy ny Valiha
Dia porofo
Fa nilofo
Hatrany
Teto an-tany
I G. R. G.

 

Ary angaha izany ihany ? Anisan’ny lisy,
Amin’ny lisy. Anisan’ny lisy,
Nanam-pinoana, dia finoana
Narahina asa ka niezaka
Tsy nitofezaka
Fa nijoro
Sy nanoro
Nefa nafoy
E reroy !

 

Andrarezin-diteratiora, nampakatra avo ny Faneva,
Nampamerovero hanitra ny kanto sy ny meva
Tsy niamboho adidy fa niezaka, nilofo
Ho fitaizana hatrany ny solofo
Sy ny dimby. Koa raha lasa
Izy ankehitriny, ny asa
Nataony hotsaroana
Tsy ho foana

 

Banga anao ny toerana ry Vehivavy mendri-piderana
Banga anao ny toerana.
Ianao namonjy ilay fitàna.
Isaorana ny Mpahary nampisy anao teto an-tany
Fahasoavan-dehibe ho an’ny taranaka izany
Fahasoavan-dehibe ny fandalovanao tety
Kintan-diteratiora namiratra ery.

Koa mandria am-piadanana
Nanana olona ka nanana
I Gasikara nisy anao
Ny taranaka
Hanaraka
Tsy hanary
Ny soa fihary
 

Ramatoa RAHARIJAONA Marie-Angèle,  Mpitandrina

22 septambra 2008, Frantsa

12

Lanaudière... moutons, caro... |
DAROU L ISLAM |
ENSEMBLE ET DROIT |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Faut-il considérer internet...
| Le blogue a Voliere
| Cévennes : Chantiers 2013