navigation

HELI’S MADAGASCAR – CHORALE ST PAUL MASSY : SOLIDARITE INTERCULTURALITE le 21 novembre 2009 AUDITORIUM Opéra Massy 2 novembre, 2009

Posté par rahelys dans : Culture,Développement,Environnement,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Fêtes,Identité malgache,Journée Internationale,musique,poèmes,Solidarité , ajouter un commentaire

Hebergeur d'images MADAGASCAR ILE CONTINENT OUVERT AU MONDE

RENDEZ-VOUS le SAMEDI 21 NOVEMBRE 2009

- 16h00 à 21h00 à l’Auditorium Opéra Massy 91300 Massy

Programme

Discours ouverture par le poète FREDY JAOFERA

Formes d’érosion en LAVAKA et feux de brousse à Madagascar

*Exposition de photos et BD

*Conférence-débat

*Concert, poèmes, variétés musicales de Madagascar

*Tombolas


POUR TOUS – ENTREE LIBRE (selon la limite des places disponibles)

Accès:

*Bus 197 Opéra Massy à prendre porte d’Orléans

*A6 Orly – Massy – Place de France – Opéra

*RER B St Rémy Les Chévreuses – Station Les Baconnets Puis Bus 119 et station Place de France

LA VIE – Mère Theresa Prix Nobel de la Paix 1979 – NY FIAINANA 12 juin, 2009

Posté par rahelys dans : A méditer,Coup de coeur,Culture,Développement,Droits civiques,Droits homme,Enfance - Jeunesse,Environnement,Fêtes,Hommages,mode de vie,Mondialisation,poèmes,vie quotidienne , ajouter un commentaire

http://www.dailymotion.com/video/x9k6wq

« NY FIAINANA » – Arovy ny Fiainana fa sarobidy tokoa 

Tononkalon’i mère Thérésa.

Nahazo ny Loka Prix Nobel de la Paix taona 1979 izy noho ny fiainany natokany hanaovana asa soa ho an’ireo mahantra tany India.

Narindran’i Olga HELISOA miaraka amin’ny sarin’ny ankizy malagasy vitsivitsy sy hira.

*****
Poème « LA VIE » de mère Thérèsa, prix nobel de la Paix 1979 mis sur diaporama d’enfants de Madagascar, photos prises en 2008.
Réalisation Olga HELISOA, 2009

Musique originale « L’envol » de Jean Michel GUISIANO

(c) Copyright HELI’S MADAGASCAR 2009

RABARISON Gilbert dit « DADABARY » Grand artiste malgache nous a quittés – Lasana RABARISON Gilbert i « Dadabary » 28 mai, 2009

Posté par rahelys dans : Culture,Hommages,Identité malgache,Malagasy: Teny,Patrimoine de Madagascar,poèmes , ajouter un commentaire

RABARISON Gilbert dit « Dadabary » est un mpikabary (orateur), chanteur, poète, comédien, écrivain : nouvelles pour le théâtre. – Il repose au cimetière de Thiais – France depuis le 27 mai 2009

– Reposez en paix Monsieur l’artiste ! Que la terre vous soit légère.

Nous présentons nos condoléances à toute la famille.

Hebergeur d'images

Lasana RABARISON Gilbert : Dadabary Mpanan-talenta malagasy – Mpikabary,  mpamoron-kira, mpihira, poety, mpilalao tantara an-tsehatra, mpamorona rindran-kira.

Sitrak’Andriamanitra ny niantso ny mpanompony dia It. RABARISON Gilbert izay fantatra amin’ny anarana hoe : DADABARY ka nalevina  ny alarobia 27 mey 2009 tao Thiais – Frantsa.

Very Olomanga ny firenena malagasy sy izao tontolo izao nametrahan’ny Mpahary antsika amin’ny fahalasanan’i Dadabary.

- Filohan’ny sampana Vokovokomanga tao amin’ny FJKM Isotry Fitiavana izy Taty andafin-dranomasina izy nanomboka tamin’ny taona 1982. 

Fatra-pandala ny soatoavina malagasy i Dadabary ary niezaka nikolokolo sy nampahafantatra ny vakoka sy ny hanitra nentin-drazana:

– Mpikabary

- mpamoron-kira, mpihira- poety

- mpilalao tantara an-tsehatra niaraka tamin’ny tropy Jeannette,  Ratianarivo,  Rakoto de Montplaisir izy. 

Teo amin’ny faha-45 taonany  no nahazo ny loka voalohany tamin’ny fifaninanana famoronana rindran-kira tao Madagasikara.

Ny nofony napetraka any Thiais.

Rahefa avy nanaovana fisaorana sy fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra tamin’ny fotoam-pivavahana tao amin’ny Funérarium de Clichy , 92110 Clichy  ny alarobia 27 mey 2009 .

« Isika dia sambo mitety rano… » – Firaisankina, DADABARY

Miara miondrika maneho ny fiarahana ory amin’ny fianakaviana rehetra izahay. Mandria am-piadanana Tompokolahy !

1er MAI « MUGUET » SYMBOLE DU PRINTEMPS : OUVRE TON COEUR AUX AUTRES ! 30 avril, 2009

Posté par rahelys dans : A méditer,croyances,Culture,Fêtes,mode de vie,Mondialisation,poèmes,Solidarité,vie quotidienne , ajouter un commentaire

Hebergeur images

Mirary fitsaharana sy fiainana milamina feno fahasoavana, fiadanana sy ASA ho antsika Malagasy eto an-tanindrazana.

 

Au 1er mai, on offre un brin de muguet aux gens que l’on aime.

Le muguet symbolise le bonheur et la santé.

Nos voeux de bonheur et de Paix à tous les Malgaches et à Madagascar ! – RAMANATANTARA, 30.04.2009

 

PREMIER MAI

Premier mai annonce le printemps
Ouvre ton cœur au soleil du bonheur
Ouvre ton corps au service des autres
Ta récompense luira sur les visages
Plus brillante que l’éclat du soleil.
RAMANATANTARA, 30.04.2009

RAKOTOZANANY STANISLAS: UN GRAND AUTEUR COMPOSITEUR MALGACHE 18 avril, 2009

Posté par rahelys dans : Art - Zava-Kanto,Culture,Hommages,Identité malgache,Malagasy: Teny,Mondialisation,musique,ohabolana - proverbe,Patrimoine de Madagascar,poèmes,Solidarité,Souveraineté nationale malgache,vie quotidienne , ajouter un commentaire

http://www.dailymotion.com/video/x7zad6

RAKOTOZANANY STANISLAS, ce grand artiste malgache a   fait connaître un groupe artistique malgache SAKELIDALANA qui a chanté ses œuvres dont:

- Ny Lanitra

- Fitia manalasala

- Vetson’ny manina

- Nandalo teto ve ?

- Taratasin-drazandry

- Voahangy…

http://www.dailymotion.com/video/x8fl8u

VAVAKA HO AN’NY FIRENENA – PRIERE POUR MADAGASCAR, MON PAYS 18 février, 2009

Posté par rahelys dans : A méditer,poèmes,Prieres,Protection de Madagascar , ajouter un commentaire

OVAY  

Tompo ô !…

 

Ovay ny fireneko
no vavaka voalohany ;
ataovy fandreseko
fa misy ny tsy tohany.

Ovay ny adiady
no vavaka faharoa ;
ataovy tsy fitady
sy handositra any koa.

Ovay ny disadisa
no vavaka fahatelo,
ho zary paradisa
sy ialan’ny alahelo.

Ovay ny fahoriana
no vavaka fahefatra
ka fafazo fitahiana
ho feno soa mavesatra.

Amena !…

Fredy JAOFERA

 

*****

 

Seigneur,

Ecoute ma prière

Montée vers Toi.

Change mon pays…

Change les disputes,

Change les querelles,

Change la misère

Que ta bénédiction infinie

Règne en abondance

Dans mon pays devenu Paradis.

Amen

RAMANATANTARA, traduction libre.

 

RY MALAGASY O MITOMANIA ! 10 février, 2009

Posté par rahelys dans : A lire,A méditer,Développement,Droits civiques,Droits homme,Hommages,poèmes,Solidarité,Souveraineté nationale malgache , ajouter un commentaire

Fahatsiarovana ireo latsaka tany Antaninarenina
ny sabotsy 07.02.09, Antananarivo

Ry Malagasy o, mitomania,
Ambakaina lava izao,
Atao fitaovana hiakarana,
Hamenoana paosy, hangalarana.

Nalaina ny taninao, alaina ny ainao
Miheritrereta, mailo ianao !
Ianao no antoka koa mitandrema !
Lafo vidy ny ainao sy ny taninao !

Kibo noana tsy mba vatsy
Dia nirenireny nakatsy nakaroa,
Fahafatesana no niandry anao:
Nisaritaka tanaty tosika sy afo.

Voafandrika tanaty vahoaka,
Voaosy, torotoro tsy nahetsika,
Nianjera voatifitry ny basy,
Ra nandriaka feno ny tany.

Nanaraka ireo liam-baovao ianao ,
Nanaraka nanantena fiovam-piainana,
Feno fanantenana sy nofim-baovao,
Ny hoavy mibaliaka an’ny taranaka.

Kanjo fahafatesana, kiaka,
No niandry anao tao,
Kibo noana tsy mba vatsy
Tsy nisaina ho ratsy ;
Nanantena fotsiny ianao !

RAMANATANTARA, 09.02.09

QU’AS-TU FAIT DE TON FRERE ? MPIANDRY NY RAHALAHIKO AHO ! 30 janvier, 2009

Posté par rahelys dans : A lire,A méditer,Enfance - Jeunesse,poèmes,Protection famille , ajouter un commentaire

L’ADVERSITE

L’adversité révèle
L’Homme ou le monstre
Qui est en nous.
L’adversité pointe
Sur nos valeurs
Futiles ou spirituelles.

L’adversité peut
Nous rabaisser,
Nous élever.

L’adversité !
L’adversité !
Peut venir de moi,
Peut venir de toi.

RAMANATANTARA, 30.01.09, Paris

MORTS DANS L’INDIFFERENCE GENERALE

Hebergeur d'images

PRENDS GARDE…

Prends garde à toi,
A la vie de ton prochain.
Ne le rabaisse pas
Par égoïsme.

Moi, moi, moi !
Et des monstres, voilà,
Sans foi, ni loi,
Œuvres d’égoïsme
En nous ! Oui, en nous !

Et des parents aux enfants,
De génération en génération,
Les misérables règnent
Ravagent, sèment le chaos.

Sois le sel de la terre !
Respecte, bénis ton prochain
Respecte le, élève toi
Et la Sagesse demeurera.

RAMANATANTARA, 30.01.09, Paris

EMEUTE DE LA FAIM
Hebergeur d'images

HAFATRA HO AN’I 2009 ! MESSAGE POUR 2009 ! NOUVELLE ANNE ! NOUVELLES RESOLUTIONS ! 4 janvier, 2009

Posté par rahelys dans : A méditer,Culture,Environnement,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Fêtes,Identité malgache,poèmes,Solidarité,Souveraineté nationale malgache,vie quotidienne , ajouter un commentaire

Beautés de la musique et des costumes traditionnelles du Sud malgache
Qui crie ses peines : « Mijale ty taniko, Madagasikara »

VŒUX DE BONHEUR POUR 2009 !
http://www.dailymotion.com/video/k16Jz1WfdJcc9elsIj

A TOUS, UN SOUHAIT

Coeur d’Amour, d’Efforts,
Faire fructifier chaque matin,
Ne gaspiller ni minutes,
Ni jours aux disputes…

A tous, un Espoir :
S’ouvrir vers son prochain,
Vaillance vers un avenir meilleur.

Olga HELISOA, 02/01/2009

 

Locations of visitors to this page

 


HAFATRA HO AN’NY TAONA 2009  

Tonga ity ny taona vaovao
Avalony ny lonilony teo aloha.
Fihavanana no handrandrao,
Fitiavana no hanjaka ao am-po.

Fa isika izay tsy tonga lafatra
Mbola nahazo tombon’andro.
Aleo ny ezaka no atao fatratra
Satria ny Tompo no mitandro.

Ny andro mihiratra maraina
Dia tena fanomezan-tsoa
Lehibe tsy tambo isaina
Sady tsy manam-paharoa.

Koa aleo ry mpiara-belona,
Tsy handanilany ny fotoana
amin’ny ady sy ny trerona
Satria izany dia zava-poana;

Ambarao, lazao raha efa nisy
Olombelona tsy mba diso
Fa vao hary saina indrisy
D’efa nanomboka ny kizo.

Tsy hay fafàna ny efa vita
Saingy azo hatao tokoa
Ny miezaka tsy hivika
Ny làlana mitondra soa.

Dia hotobaka hasambarana
Ny sivy sy roa arivo taona vao.
Ny tsirairay irina mba hanana
Fandavan-tena tsy mety lao.

Ninita RANDRIANANJA

1er janvier 2009

FAHATSIAROVANA FAHA-40 TAONA NIASA tao amin’ny FPMA (ANDRIAMAMPIANINA Désiré mivady) 26 octobre, 2008

Posté par rahelys dans : A lire,Anniversaire,Evénements HELI'S MADAGASCAR,Fêtes,poèmes , ajouter un commentaire

HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA

Tononkalo ho fahatsiarovana ny faha-40 taona

niasan’andriamatoa ANDRIAMAMPIANINA Désiré mivady

tao amin’ny  FPMA

Faritany Atsimo Andrefana misy azy

Manao ny  Jôbiliny ny alahady 26 oktobra 2008

 

 

Endrey ny fahasoavana iantsoan’ny Ray antsika
Hiara-mivavaka eto amin’ity andro manan-daza !
Fotoana iray tena miavaka toy ny kinta-manjopiaka
Tena androm-pitahiana ho an’ny lehibe sy ny zaza.

Fotoana natokantsika hisaorana an’Andriamanitra,
Fototr’aina, Foto-tsoa, Ilay Izy hatramin’ny Taloha,
Antom-pahavelomantsika, Raintsika any an-danitra,
Tsy mahafoy ny asan’ny tànany, be fitiavana tokoa.

Matoa isika tonga eto,  tsy noho ny herin-tenantsika
Fa noho ny famindrampony ary koa ny fahasoavany.
Ampahereziny hatrany isika raha mila hangatsiaka.
Eny, tsy takatry ny saina raha ny haben’ny fitiavany.

Porofo maneho izany izao Jôbily masina eto izao
Izay anasana ny rehetra hiombom-po amam-panahy.
Ho voninahitry ny Anarany ny asa rehetra izay atao
Tanimboalobony isika ary Izy kosa no Ray Mpiahy.

Akory ny haben’ny haravoana tratr’ity andro Jôbily !
Jôbilin’i pasitera ANDRIAMAMPIANINA Désiré
Mivady.  Mirodorodo ny rehetra ary tsy nivilivily
Nisy ny  nandeha fiara, tao  koa ny nandray TGV.

Ny Tompo Andriananahary no  niantso sy nifidy
Sy  nanokana azy ireo ho fiasana am-pelatanana
Mpanompo vonona tokoa ka tsy niamboho adidy.
Tsy manavakavaka izy sady mandala fihavanana.

Ny raibeny dia mpitandrina. Asa misy fihafiana.
Ny ray sy reniny mpampianatra. Raha vao valo
Taona monja izy dia tratry ny fahakambotiana
Maty rainy ka nafoy. Ny fiainana mampimalo.

Rehefa nandeha tany amin’ny toby Farihimena
Izy dia nandre antso. Tsy tafandrimandry intsony
Ary tsy niandriandry fa dia niroso ho katekomena
Dia noraisina ho Mpandray ka ravoravo ery ny fony !

Rehefa tonga izany antso dia mandoro ny ao anaty
Naniry ny ho mpitandrina izy, tena faniriana lalina…
Faniriana nitombo vahana, nitrebona tsy mety maty
Ka nohatoniny ny reniny satria tiany hampahafantarina.

Raha ny asan’ny mpitandrina dia tena misy fihafiana,
Fanta-dreniny tsara izany hany ka tsy tena narisika
Izy.  Tsy foiny hijaly ny solofony na ho be fanahiana
Nefa notsofiny rano ihany rehefa hitany nisisika.

Mbola niofana aloha satria manko ny asa fanompoana
Tena ilana fiofanana. Afa-panadinana idirana ho kolejy
Tao Ambohipotsy no nianarany. Tao aminy ny fahazotoana
Ka nifotorany tokoa izany. Nianatra fa tsy variana nikarenjy.

Dia natokana ho Mpitandrina taona vitsy taty aoriana
Vonona hitondra zioga na ho voky na ho noana
Ary tsy mba misy reharehany afa-tsy ny hazo fijaliana
Ka ny asa fitoriana dia tena nataony tam-pinoana.

Dia niroso ihany koa tamin’ny lalan’ny fanambadiana
Ny niantefan’ny safidiny dia  ramatoa Lala HARIMBELO
Tojo ny tia sy ny tiana ka tsy hay lazaina ny hafaliana
Vady tolo-janahary, miara-dia hatrany na faly na  malahelo.

Taorian’izay indray dia nanohy nianatra taty Andafy
Hahazoana ny licence ka  nikofokofoka aok’izany.
Nohararaotiny ny fotoana. Tsy moramora fa nihafy…
Nody ventiny izany ka lasa Tale tao  amin’ny Akany,

Dia Ilay Akany kristianina an’ny FFPM ao Antsahamanitra,
Izay  natokana indrindra indrindra ho  fitaizana ny  zazalahy,
Ho fanabeazana ny maha-olona, ho voninahitr’Andriamanitra.
Adidy amin’ny taranaka ny fikolokoloana ny aim-panahy.

Anisan’ny nanohana azy hatrany tamin’ny asa fanompoana
Niara-dia na aiza na aiza tany aleha, tsy namela azy ho irery
Dia ramatoa Lala HARIMBELO vadiny. Eny, tam-pinoana
No nandraisany  izany ho Adidy masina. Sanatria tsy an-tery.

Efa nandrindra tao amin’ny FPMA Paris ary koa Poitiers
Sy Saint-Simon teo aloha sady tao amin’ny Birao Foibe
Nandritra ny taona maro i pasitera Andriamampianina Désiré.
Tsy hohadinoina koa  ny FPMA Bordeaux. Moa tsy izany ve ?

Tao koa ireo zanany telo mianadahy avy amin’ny Tsitoha,
Izay tsy nanakana azy na oviana tamin’ny asa fitoriana
I Hanitriniaina sy Mbelotiana  no teraka  taty Andafy moa
I Henintsoa no tany Madagasikara izay Akany niaviana.

Tamin’ny taona 68 no nanombohany tamin’ny FPMA
Efapolo taona izao. Isaorana ny Ray, fahasoavana tokoa.
Nahay nifandray tsara tamin’ny Malagasy sy ny Vazaha.
Ny traikefa dia ananany. Ny talenta nampiasainy koa.
Tsara homarihina fa izy tsy mpitandrina matihanina
Tsy nandraisany karama mihitsy ny asa fitandremana
Noho izany dia  niasa i pasitera Andriamampianina
Satria moa efa aty am-pita no nofinidiny  ho fonenana.

Tsy zoviana amintsika i pasitera Andriamampianina
Namela dindo ny Efapolo taona nitandremany taty
Niasa tamin-joto hatrany, Mpitandrina tsy matihanina
Nitory ny Vaovao Mahafaly dia ny Filazantsaran’i Kristy.

Niainan’izy mivady ireto ny fanahim-panetrentena.
Tsy fombany ny misehoseho fa miasa am-pitiavana
Tena toetrany izany. Ny mandefitra no fahendrena
Na reraka aza indraindray mbola entanim-piniavana.

Efa nisy fotoana naha-tompon’andraikitra ny FPMA
An’i pasitera Andriamampianina. Izy no nisolotena
Raha nisy nilana izany. Tena midadasika ny saha
Nefa notontosainy am-pitiavana, an-tsitrapo, tsy noterena.

Ny Faritany Atsimo Andrefana no nandray an-tànana
Ny fanatontosana ny Jôbily izay iainantsika etoana.
Ravoravo am-panahy ny Vaomieran’ny Fampihavanana
Tsy ambakan’izany koa ny Vaomieran’ny fanompoana.

Mbola ananany andraikitra ireo Vaomiera roa ireo
Tsy miamboho adidy izy. Nekeny tamim-pitiavana
Mpanompo vonona hanompo. Na oviana tsy ho leo.
Ny hazo fijaliana nentiny ka tsy nasiany fandavana.

Hita fa nanamarika azy tokoa ny fiainana taty Andafy
An’Andriamanitra ny fandaharana. Izy fiasana ihany.
Amin’izao fotoana izao dia efa fito mianadahy ny zafy.
Fahasoavana avy amin’ny Ray ka isaorany azy hatrany.

Koa arahaba ry izy mivady tratr’izao fotoana izao ;
Andro notahin’ny Tompo, tena fahasoavana tokoa.
HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA izay tsy mandao
Na oviana fa momba sy mitahy, tia sady manasoa.

Enga anie ity Jôbily masina ity mba hanjary fitahiana
Ho an’ny lavitra sy ny akaiky, ny FPMA manontolo,
Ka tsy hisy ho diso anjara ary hampitoetra fifaliana
Noho ny asan’ny Fanahy izay miahy sy manolokolo !
Ramatoa RAHARIJAONA Marie-Angèle, Mpitandrina
CHRIST-ROI faha-26 oktobra 2008

 

123

Lanaudière... moutons, caro... |
DAROU L ISLAM |
ENSEMBLE ET DROIT |
Unblog.fr | Créer un blog | Annuaire | Signaler un abus | Faut-il considérer internet...
| Le blogue a Voliere
| Cévennes : Chantiers 2013