Trondro maina mahafaty (Fianarantsoa) 18 mars, 2008
Posté par rahelys dans : Santé - Environnement , 2 commentaires(Vaovao avy tany amin’ny namana News2dago)
Anisan’ny sakafo tian’ny malagasy tokoa ny trondro maina ary tsy vitsy no mihinana azy eny na aty an-drenivohitra aza ! Voina anefa no nahazo ireto olona nihinana izany tao @ faritra iray ao Fianarantsoa ao satria dia olona 3 no indray maty ary olona 20 hafa mbola marary mafy any @ hopitaly !Tsy fantatra moa izay tena poizina nohanin’ireto tsondro ireto ! ary entanina arak’izany ny olona nihinana azy mba hanatona toeram-pitsaboina !
voalaza moa fa tena avy dia malemy ny vanitaolona rehefa avy mihinana ilay tsondro maina ilay olona !
Asa indray zao izay sakafo ho anina fa ny sakafo nantenaina hanome aina indray ity no mamono !
- News2dago, 17.03.08 http://news2dago.blaogy.com/post/770/4409
Rahelys: Hevitro manokana !
1. NOLOTOANA NY TONTOLO IAINANA
Efa tena MALOTO BE feno zava-mahafaty: poizina avy amin’ny loton’ny ozinina na orin’asa kely vitsivitsy koa izany ny rano any Madagasikara an ! Dia potika ny tontolo iainana !
Ny any Guyana dia ny Cuivre hanadiovana tany hitrandrahana « volamena » , ny any Chine moa dia mirodorodo be ny ozinina samy misokatra sy manao izay hataony dia alefa any amin’ny rano mandeha ao an-tanàna avokoa ny loto avy iasana , sns…
Dia mba lasa koa izany i Madagasikara an !
2. Fa INONA NO ATAO hoe: « FANDROSOANA » ?
- Manao zavatra azahoana vola be tsy am-peverana fa izay halehany any halehany satria « RANO TSY TETEZIN-DOHA » ve ?
Sa izay ataon’ny firenena lazaina hoe « mandroso » dia atao satria « tsara avokoa »: mampidi-bola kah !
Vola ! Vola ! Vola O !
Hatraiza ny fitiavako anao ?
Hatraminy mamono ny mpiray rà amiko:
- ireo zanako, ray aman-dreniko, havako…
Maneho etona ny fiaraha-ory sy mampahery an’ireo nahafoy havana !
3. FAMOTOPOTORANA MOMBA NY FANDOTOANA TONTOLO IAINANA ANY MADAGASIKARA
Enga anie ka mba hisy famotopotorana « momba ny fandotoana ny tontolo iainana » vokatr’io raharaha io ! Satria ny toetry ny trondro no marika fa madio ny tontolo iainana ny tsia.
Eto dia TSIA !
Koa iza indray no ho tapa-doha ao ?
Ary iza no hafa-maina toy ikotofetsy tsy lasa lavitra fa manangona « vain-kafo eo an-tampon-dohany » !